| Teny iditra | 1 potraka |
| Sokajin-teny | 2 matoanteny mpamaritra |
| Haiendriteny |
|
| Sampanteny |
|
| Fanazavàna teny malagasy |
32 Lavo: Nisolafaka izy ka potraka
33 Hevitra ohatra: Ny ketraka mora mivarina / Miroraka tonga kanosa; / Ny potraka nefa tafarina / Ireny ha olona kosa (Ny Avana) 34 Nianjera: Potraka avy teny an-davarangana ilay zaza 35 Miongana, mihem-boninahitra, nesorina amin' ny raharahany: Fatra-panao ny tsy rariny ny anao ka potraka [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
36 fallen, fallen away
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
37 tombé, déchu
[1.8] |
| Ohatra |
38 Ny potraka nefa tafarina, Ireny ka olona kosa!
[2.298#]
39 dia mandoa sazy vola ariary 100, fa miandry teza ho potraka izany. [2.48#125] |
| Mpanahaka | 40 lavo, 41 mianjera, 42 miankarapoka, 43 miantofoka, 44 miantonta, 45 mibolaly, 46 mibolasitra, 47 mibolila, 48 mibolisatra, 49 midaboboka, 50 midaboka, 51 midalaboboka, 52 midaroboka, 53 midarofoka, 54 mihohoka, 55 mikodia, 56 mikodingy, 57 mikodingidingy, 58 miongana, 59 misobilatra, 60 misolafaka, 61 misolifaka, 62 misolifatra, 63 mitalaboboka, 64 mitatavoka, 65 mitotongana, 66 mitrosina, 67 mitrotrongy, 68 mitsimbadika, 69 mitsingadina, 70 mitsingatotra, 71 mitsingidina, 72 mitsingoana, 73 mitsinkasina, 74 mitsirara, 75 mivadika, 76 mivalangitrika |
| Fikambanana | 77 Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 1 misy ny teny hoe potraka |
| Ohabolana | 78 Ohabolana misy io teny io |
| Fivaditsoratra | 79 kapotra, potraka |
| Nohavaozina tamin' ny 2026/07/17 |
|