|
|
|
|

Teny iditra (1/5) 1  volo
Sokajin-teny  2  anarana
Haiendriteny 
3  Tsotra :
4  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  16 Zavatra lava madinika kely ohatra ny kofehy tantra maniry amin' ny faritra sasantsasany amin' ny tenan' ny olombelona na ny biby ary na dia ny zavamaniry aza: Be volon-tratra io lehilahy io ~ Be volo mahafinaritra ny amboan' i Bary ~ Ataon' ny olona fanafody ny volon-katsaka
17 Volon-doha: Efa lava ny volon' ise ka andeha mba hampanetezo [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  18 hair
19 feathers
20 moss [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  21 cheveux, poil
22 plume
23 mousse [1.8]
24 Chez les animaux et l'homme : poils ou plumes, cheveux, etc.
25 Chez les plantes : poils et duvets des feuilles et des tiges.
26 Les mousses et autres petites plantes arboricoles sont elles-mêmes assimilées à des poils sous le nom de volon-kazo [1.196]
Ohatra  27  Tsy maintsy hetezana fohy mantsy aloha ny volo, izay vao kolaina. [2.472#109]
28  randranina madinika ny volo ny reninjaza; [2.48#74]
Manontolo 
Anaran' akora mamorom-batana 
Fikambanana  42  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 124 misy ny teny hoe volo
Ohabolana  43  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  44 Randzavola: volo ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (2/5) 45  volo
Sokajin-teny  46  anarana
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Fanazavàna teny malagasy  48 Lokon-javatra na biby: Toy inona no volon' ilay ombinareo very izay? ~ Ity lamba tanora volo ity entinao fa tena manendrika anao mihitsy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  49 color [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  50 couleur [1.8]
51 Couleur, teinte, aspect naturels ; les couleurs obtenues par teinture s'appellent au contraire : loko. [1.196]
Fikambanana  52  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 20 misy ny teny hoe volo
Tsanganana sy sary iray takila  53  Ny Loko
54  Soratr' omby

Teny iditra (3/5) 55  volo
Sokajin-teny  56  anarana
Fanazavàna teny malagasy  57 Endrika, tarehy: Tsy volon' olona handeha akory ianao izany! [1.1]

Teny iditra (4/5) 58  volo
Sokajin-teny  59  anarana
Fanazavàna teny malagasy  60 Karazan-javamaniry fahita amin' ny tany mafana, manana toetra manokana: ny tahony tsoa-tokana tsisy rantsany, mavo malamalama, poaka aty, nefa misy tonony, mety ho voafihin' ny rantsantanana roa ny habeny, ary ny raviny etiety kely maranitra. Maro karazana ny volo: ny voloandotra, ny voloandritra, ny volodia, ny volodiosy, ny volosanga, ny volosy, ny volotara, ny bararata, ny volotsangana, ny volovaliha, ary ny volovato [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  61 bamboo [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  62 bambou [1.8, 1.13]
63 roseau [1.8]
64 Nom générique des bambous. L. A. Chapelier a relevé anciennement ce nom sur la côte Est pour un bambou autochtone, Ochlandra capitata (Kunth) E.G. Camus ( = Nastus capitatus Kunth) « c'est le bambou dont la tête retombe en panache » écrit-il. Mais ce nom s'applique également aux espèces introduites : Bambusa barbata Trin., Bambusa capitata Trin., Dendrocalamus strictus (Roxb.) Nees, (Poaceae). Ce nom est même étendu aux grandes Poaceae dont les chaumes dépassent souvent 2 m de haut. [1.196]
Voambolana  65  Haizavamaniry: ahitra
Mpanahaka  66  volotsangana
Fikambanana  67  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 13 misy ny teny hoe volo
Anarana ara-tsiansa 
Sary 
72  73 

Teny iditra (5/5) 74  volo
Sokajin-teny  75  anarana
Sampanteny 
Anarana :
Fanazavàna teny frantsay  77 [racine ancienne] action de préférer, de tirer, de sélectionner [1.196]
78 Au sens figuré : préférence, attitude partiale. Exemple : mivolo zanaka : faire des discriminations entre ses enfants [1.196]

Fivaditsoratra  79 lovo, volo

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22