|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : ambiaty

Ohabolana 1Ambiaty niakaram-bitsika : hondrahondrany foana, fa ny aty efa lany. [2.415 #2419]
Ambiaty niakaram-bitsika : hondrahondrany foana, fa ny tenany be efa haroka. [2.415 #2419, 2.653 #124]
Ambiaty niakaram-bitsika: hondrahondrany foana ny raviny, fa ny tenany be efa haroka. [2.165]
Ambiaty noladinim-bitsika, ka hondrahondrany foana fa ny tenany be efa haroka. [2.558 #19]
Dikanteny frantsayArbuste ambiaty envahi par les fourmis : il lui reste encore l' écorce et les feuilles comme semblant de vie, mais il n' a plus de moelle. [2.415 #2419]
Un buisson d' "ambiaty" (arbuste) sur lequel les fourmis sont montées; les feuilles s' agitent encore, mais l' intérieur (des tiges) est creux (ou percé). [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des riches ruinés qui ne changent encore rien à leur extérieur. [2.415 #2419]

Ohabolana 2Aza manao tahaka ny ambiaty hianao : mahalala ny taon-kamoazana, fa tsy manam-boa. [2.653 #507]
Aza manao tahaka ny ambiaty : mahalala taon-kamoazana fa tsy manam-boa. [2.558 #580]
Toy ny ambiaty : mahalala taona fa tsy misy voany ho hanina. [2.558 #274]

Ohabolana 3Aza mivarotra omby anaty ambiaty. [2.653 #680, 2.165]
Dikanteny frantsayNe vendez pas un bœuf quand il est au milieu des "ambiaty" (arbuste). [2.165]
Fanazavana frantsayParce qu' on ne peut pas bien le voir, et l'acheteur sera trompé. [2.165]

Ohabolana 4Basy ambiaty ka tapaka anio soloana rahampitso. [2.558 #851]
Basy ambiaty, tapaka anio dia soloana rahampitso. [2.415 #1498, 2.165]
Dikanteny frantsayFusil d' enfant, fait avec une tige creuse de l' arbre ambiaty : cassé aujourd' hui, il est remplacé demain. [2.415]
Un fusil (jouet) formé d' une tige creuse d' "ambiaty" (arbuste): s' il se casse aujourd' hui, on le remplace demain. [2.165]
Fanazavana frantsayCela ne coûte pas cher! [2.165]
Chose sans valeur. [2.415]

Ohabolana 5Izaho hilevina amin' ny ambiaty, ary hianareo hilevina amin' ny ambora. [2.415 #3201]
Dikanteny frantsayAinsi donc j' aurais pour ma part un cercueil de bois ambiaty, et pour vous, vous en faites un en bois d' ambora. [2.415 #3201]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui se font la part du lion : Vambora était un bois résistant au temps et à l'humidité : on en faisait les cercueils des princes. [2.415 #3201]

Ohabolana 6Manan-jara samy hazo ny ambiaty : nahazo to amin' Andriamanitra, ka nataon' ny olona famantaran-taona noho ny tenin' ny razana. [2.415 #3115, 2.653 #1510]
Dikanteny frantsayHeureux sort que celui des arbustes ambiaty : ils ont reçu de Dieu la vérité et le pouvoir d' inspirer confiance, et sur la parole des ancêtres, les hommes en font le signe auquel ils reconnaissent les saisons. [2.415 #3115]
Fanazavana frantsayLa floraison de l' arbuste ambiaty servait à déterminer la saison propre aux semailles de printemps. [2.415 #3115]

Ohabolana 7Ny ambiaty va no tsy mahalala taona, sa ny ranonorana no manao vatravatra ? [2.415 #3131, 2.653 #2147]
Ny ambiaty ve no tsy mahalala taona sa ny orana no manao am-batravatra. [2.558 #2859]
Dikanteny frantsayEst-ce que les arbustes ambiaty ne connaissent pas les saisons, ou bien est-ce la pluie qui tombe abondamment ? [2.415 #3131]
Fanazavana frantsaySe disait des saisons précoces ; la floraison de l'arbuste ambiaty servait à déterminer la saison propre aux semailles du printemps. [2.415 #3131]

Ohabolana 8Tanan' aolo tsy ilaozam-pandrotrarana ; hadivory tsy ilaozan' ambiaty ; teny maro tsy ilaozan' izay ota. [2.415 #4823, 2.165]
Tanàna haolo, tsy ilaozam-pandrotrarana, hadivory tsy ilaozan' ambiaty, teny maro tsy ilaozan-diso. [2.558]
Tendrombohitra tsy ilaozan' ambiaty, tanàna maro tsy ilaozan' adala, kabary be tsy ilaozan-diso. [2.653 #3072, 1.1]
Fanazavana malagasyEntina miala tsiny ka ilazana fa amin' ny zavatra maro atao tsy maintsy misy izay tsy metimety, misy kilemany. [1.1]
Dikanteny frantsayIl y a nécessairement du chiendent dans un village abandonné, et des buissons d' "ambiaty" dans le fossé circulaire, et des fautes dans beaucoup de paroles. [2.165]
Pas de village abandonné sans chiendent ; pas de fossé sans ambiaty ; pas de nombreuses paroles sans fautes. [2.415]

Ohabolana 9Toy ny ambiaty : mahalala taona, nefa tsy misy voany hohanina. [2.653 #3176]

Ohabolana 10Tsy mba ny ambiaty mahita ny ao am-pon' ny lanitra. [2.415 #3152, 2.558 #4547, 2.653 #3389]
Dikanteny frantsayJe ne suis pas l' arbuste ambiaty qui voit au sein du ciel et dont la floraison annonce le printemps. [2.415]
Fanazavana frantsayLe sens est qu' on ne sait pas. [2.415]

Fizahan-teny