|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : hitsikitsika

Ohabolana 1Aza mihebiheby maso hoatry ny hitsikitsika hangalatra akoho. [2.415 #4283]
Dikanteny frantsayNe regardez pas de tout côté comme l' oiseau hitsikitsika qui cherche à voler un poulet. [2.415 #4283]

Ohabolana 2Hitsikitsika ambony borona : tsy mitomoe-potsiny fa mandini-javatra. [2.558 #1346]

Ohabolana 3Hitsikitsika tompon' ny dihy, vivy tompon' ny rano. [2.558 #1347]
Kitsikitsika tompon’ ny dihy, vivy tompon’ ny rano. [2.653 #1275, 2.415]
Vivy tompon' ny rano, kitsikitsika tompon' ny dihy. [2.415]
Dikanteny frantsayA la crécerelle la danse dans les airs, et l' eau à la poule d' eau. [2.415 #2262]
Fanazavana frantsayA chacun son bien. [2.415 #2262]

Ohabolana 4Hitsikitsika tsy lao lanitra, laza tsy leo dina. [2.558 #1348]
Hitsikitsika tsy leo lanitra, laza tsy leo dina. [2.415 #352]
Kitsikitsika tsy lao lanitra : laza tsy lao dina. [2.653 #1276]
Dikanteny frantsayLa crécerelle n'est jamais dégoûtée du firmament, et les rumeurs ne sont pas arrêtées par l' amende qui les punit. [2.415 #352]
Fanazavana frantsayAucune défense ne peut empêcher un bruit public de circuler. [2.415 #352]

Ohabolana 5Hitsikitsika tsy mandao tevana. [2.558 #1349]
Kitsikitsika tsy mandao tevana. [2.415 #6282, 2.653 #1277]
Dikanteny frantsayLes crécerelles ne désertent pas les précipices. [2.415 #6282]
Fanazavana frantsaySe disait du danger. [2.415 #6282]

Ohabolana 6Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. [2.558 #1350, 1.1]
Hitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao zavatra. [2.165 #981, 2.415 #637]
Kitsikitsika tsy mandihy foana, fa ao zavatra. [2.653 #1278]
Fanazavana malagasyTsy misy fisehoan-javatra tsy manam-pototra na antony. [1.1]
Dikanteny frantsayLa crécerelle ne s' agite pas en vain, c' est pour une proie qu' elle aperçoit. [2.415 #637]
La crécerelle ne tournoyé pas sans cause, mais c' est qu' elle aperçoit quelque chose. [2.165]
Fanazavana frantsayOn n' agit pas et on ne se réjouit pas sans motif ; se disait aussi des chefs qui n' agissent pas sans cause. [2.415 #637]
Proverbe souvent cité pour éveiller les soupçons ou insinuer le mal. Pas de fumée sans feu. [2.165]

Ohabolana 7Kitsikitsika ambany lakolosy. [2.415 #770]
Dikanteny frantsayUn subordonné qui finit par être indifférent aux réprimandes continuelles de ses chefs, c' est comme la crécerelle qui loge au-dessous de la cloche et qui y est habituée. [2.415 #770]

Ohabolana 8Mandihiza, rey hitsikitsika, mba hianaranay raha fararano. [2.558 #2073]
Mandihiza, ry hitsikitsika: hianaranay raha fararano. [2.415 #1523, 2.653 #1590]
Dikanteny frantsayDansez, crécerellès, nous vous imiterons à l' automne. [2.415 #1523]
Fanazavana frantsayLes enfants disaient ces paroles lorsqu' ils apercevaient une crécerelle planant et trémoussant ses ailes sans changer de place. [2.415 #1523]

Ohabolana 9Mihebiheby miloha-kitsikitsika. [2.653 #1770]
Mihebiheby milohan-kitsikitsika. [2.558 #2319]

Ohabolana 10Natao hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery hipaoka ny akoho. [2.165]
Natao ho hitsikitsika hivavahana, kanjo hay papango nipaoka ny akohokely. [2.558 #2757]
Natao ho hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery nipaoka ny akoho. [1.1]
Natao kitsikitsika hivavahana, kanjo manjary voromahery nipaoka ny akohokely. [2.653 #2093]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona namoa-doza. [1.1]
Dikanteny frantsayOn le prenait pour une crécerelle que l' on prie, et c' était un faucon ravisseur de poules. [2.165]

Fizahan-teny