Fizahan-teny

Ohabolana : kilema

Ohabolana 1Adala misikidy an-tranon-drafy, ka ny hafenina no nasehony. [2.415 #2053]
Toy ilay adala nisikidy an-tranon-drafy, ka ny afenina no aseho aloha. [2.558]
Toy ny adala misikidy an-tranon-drafy : ny kilema miafina ka asehoseho. [2.415 #2118, 2.653]
Dikanteny frantsayC' est comme l' imbécile qui consulte les sikidy sur l' avenir, dans la maison de son rival : il dévoile les défauts cachés. [2.415 #2118]
Imbécile qui va faire la divination par les sikidy dans la maison de son rival, et ce qu' il faudrait cacher, il le montre. [2.415 #2053]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui parlaient trop ouvertement de leurs affaires. [2.415 #2118]
Se disait des gens de peu de portée qui révélaient toutes leurs affaires. [2.415 #2053]

Ohabolana 2Aleo vandan’ imaso toy izay vanda-miambo ! fa ny teny imaso tsy mba kilema. [2.974]
Dikanteny frantsayMieux vaut refuser en face que par derrière, car une parole franche ne mérite, pas de reproche. [2.974 #483]

Ohabolana 3Mpandranto be trosa : mibehana amim-pahavelomana fa maty vao hita kilema. [2.558 #2587]
Mpandrato be trosa : maty vao hita kilema. [2.653 #1966]

Ohabolana 4Ny sima manjolanjola, ny poa-maso manalava molotra, ka anaro ny tena fa kilema samy manana. [2.558]

Ohabolana 5Ny teny imaso tsy mba kilema. [2.165 #543]
Dikanteny frantsayQuand on parle ouvertement on ne doit pas être blâmé. [2.165]

Ohabolana 6Tsara vava ka mahafa-kenatra, mahay mihatsaravelatsihy ka tsy hita kilema loatra. [2.558 #4414]

Ohabolana 7Tsy misy mahita kilema momba tena. [2.165 #136, 2.653]
Tsy misy mahita kilema momba tena, na tsiny amin' olon-tiana. [2.558 #4723]
Dikanteny frantsayNul ne s' aperçoit de ses propres défauts. [2.165]

Ohabolana 8Vady tsy hovadiana, maro fondro (feno kilema). [2.558 #318]

Ohabolana 9Vahiny miserana tsy hita kilema. [2.558 #322]

Fizahan-teny