Fizahan-teny

Ohabolana : potsitra

Ohabolana 1Boka misambo-balala : mahazo ihany fa potsitra. [2.558 #62]
Sambo-balalan' ny boka mahazo ihany fa potsitra. [2.558]
Sambo-balalan' ny mondry mahazo ihany fa potsitra. [2.558]

Ohabolana 2Fotsy ny volo, adidin' ny loha. [2.415 #1812, 2.558 #1207, 2.653 #985]
Potsitra ny maso adidin' ny loha. [2.415 #6246, 2.558 #3495, 2.653 #2600, 2.974]
Potsitra ny maso: adidin' ny loha; fotsy ny volo: adidin' ny loha; banga ny nify: adidin' ny loha. [1.1 #22]
Fanazavana malagasyNy loham-pianakaviana, ny mpitondra no manana ny tsiny amin' ny fahavoazan' ny olona entiny avy. [1.1 #22]
Dikanteny frantsayLes cheveux blanchissent : c' est la faute de la tête. [2.415 #1812]
Si l’oeil est crevé, à la tête d’y pourvoir. [2.974 #18]
Si l' oeil est crevé, c' est la faute de la tête, qui aurait dû faire attention. [2.415]

Ohabolana 3Maty an-dazony hoatry ny valala nosamborim-boka. [2.415 #2009]
Maty an-dazony, ohatra ny valala nosamborim-boka. [2.653]
Maty an-dazony, tahaka ny valala samborim-boka. [2.558 #2200]
Matimaty foana tahaka ny valala samborim-boka. [2.558 #144]
Maty tsy amin' ny antony (potsitra) toy ny valala nosamborim-boka. [2.558 #2205]
Dikanteny frantsayMourir d' une mort violente comme la sauterelle saisie par le lépreux. [2.415 #2009]
Fanazavana frantsayIl l' écrase de ses mains difformes et maladroites. [2.415 #2009]

Fizahan-teny