Teny iditra miadana (adana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Famaritana malagasy Mandeha moramora, manao moramora izay atao; tsy mahavita lalan-davitra na asa betsaka na mahalaza teny betsaka amin' ny fotoana fohy: Miadana ny fandehan' ny sokatra ~ Miadam-piteny Rakoto
¶ Tsy manam-pahasahiranana, manana ny ilaina rehetra, sambatra: Miadana ny fianakavian-dRabe fa manam-be hovangoana izy ka tsy manahy na inona na inona [Rajemisa 1985]
Famaritana anglisy To advance slowly, not to be in a hurry; to be in comfortable circumstances, having no anxiety or care; to be at peace; not to be hasty in forming judgements. [Richardson 1885]
 to go slow; to be at peace; to have plenty [Hallanger 1973]
Famaritana frantsay Etre en paix, jouir de l'abondance, être prospère, aller posément, agir avec lenteur [Abinal 1888]
 aller lentement; jouir de la paix; être dans l'aisance [Hallanger 1974]
Endriteny 
miadana
miada-
miadam-
miadan-
niadana
niada-
niadam-
niadan-
hiadana
hiada-
hiadam-
hiadan-
miana
Kamban-teny, lohateny, anarana 
Mpanahaka (fandeha) votsa dia ~ mibanaika ~ midanesaka ~ midaresaka ~ mitanesaka ~ mikisaka ~ midraiko ~ milaiko ~ milaikolâiko ~ mitsikozakoza ~ mitsilaikolaiko ~ mitsimedameda ~ mitsiredareda ~ mitsiretareta ~ mitsitaika ~ midreho ~ mijeho ~ mikonesa ~ midanoka ~ mikidanodanoka ~ milakolako ~ milaikalaika ~ midehadeha ~ miledaleda ~ miretareta ~ miresaresa ~ mirisarisa ~ mirezareza ~ mirerarera ~ mitaredretra ~ manisa dia ~ manisa vitsika ~ mampandady foza ~ mamindra malako
 (fanaovan-javatra sy fihetsika) votsa ~ tsy maika ~ tsy rototra ~ somararetra ~ milasilasy ~ ela tanana mivotsavotsa ~ mitsivozavoza ~ mitavozavoza ~ mitsikozakoza ~ mihamoka ~ mihoninkonina ~ mitsirendrena ~ mimasimasy ~ mitaredretra ~ mitoredretra ~ milanona ~ milalotra ~ milalo ~ milamina ~ miladina ~ misamosy ~ maka mora ~ tsy maka sarotra ~ tsy miraika ~ mikirindreva ~ malai-mihetsika ~ mikisina ~ mibonaika ~ mibonenika
 (fiteny) votsa vava ~ mianoka ~ midanoka ~ midarona ~ tsy rototra
 (miadana) sambatra ~ finaritra ~ tsy sahirana ~ tretrika ~ metroka ~ henika ~ afa-draorao ~ afa-kopakopaka ~ tsy miondan-tanana ~ tsy mandray ravin-deno ~ manan-jara ~ tsy mandray ravin' avaratra ~ manana ny ampy ~ manana amby ampy ~ miraondraona ~ miaina an-kalalahana ~ mianoka ~ migalabina ~ milamina
Ohatra 
1Indreny lahinjiro roa no manatona miadana dia miadana ny familiana amikiranay sy Patrice. [Andriamalala: Ranomasina, takila 15]
2Nikendry miaramila sy miadana tsara izy. [Andraina: Mitaraina, takila 242]
3Tsara ny fitafiany, toa miadana ihany ny reniny. [Rajaonarivelo: Bina, takila 91]
Teny nalaina 
Haianarantany Anaran-toerana misy ity teny miadana ity (1): Ambohimiadana

Teny iditra miana (adana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miadana [firaketana]

2014/11/01