|
|
|
|

Teny iditra1  vato
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Zavatra mafy sady mavesatra hita ao anaty tany, izay lazain' ny mpahalala fa avy amin' ny fanjarian' ny afo, tany am-boalohany, ho vongana: Tany be vato i Madagasikara afovoan-tany
4 Potik' io voalaza eo ambony: Vary be vato
5 Ireo toko alahatra amin' ny fanaovana kilalao sasany, toy ny fanorona, katra, dama: Vatom-panorona
6 Ireo vy na varahina fandanjana efa misy rahateo ny mariky ny lanja: vato-mizana
7 Isa azo amin' ny fifidianana: Nitovy ny vato azon-dRakoto sy Rabe tamin' ny fifidianana farany [1.1]
8 vato miforona any anatin' ny voa na ny fantsom-boa [1.13]
Fanazavàna teny anglisy  9 a stone, a rock [1.7]
10 a vote [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  11 pierre [1.8, 1.13]
12 roche, caillou [1.13]
13 gravelle [1.3]
14 calcul [1.54]
15 calcul rénal [1.13]
Ohatra  16  Nisaina ny vato azon' ny mpilatsaka. [2.356#128]
17  Misy vato milahadahatra manodidina azy ireo. [2.643#67]
18  Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; [2.996]
Haiendriteny 
19  Tsotra :
20  Tovonana :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Anarana :
Mpamaritra :
Zanakanarana 
Kamban-teny rehetra  37  Fikambanana 332 amin' io teny io
Ohabolana  38  Ohabolana misy io teny io
Lahatsoratra  39  run='/bins/randzavola?p=999'>Randzavola: vato ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  40 tavo, 41 tova, vato

Nohavaozina tamin' ny 2026/02/26