|
|
|
|

Teny iditra1  mangataka
Fototeny  2  hataka
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  [1.1] Miangavy hanome: Nangataka vola tamiko izy nefa tsy nomeko fa asa no nomeko azy
Miangavy hanao, mitalaho, mihanta: Mangataka anao aho mba hanasitrana an' Ineny
Mifona ho an' olona: Ianao izao no mba hangataka ho anay madinika any amin' ny lehibe.
Fanazavàna teny anglisy  5  [1.2, 1.7] to beg
6  [1.2] to ask
7  [1.7] to ask for something
Fanazavàna teny frantsay  8  [1.8] demander; mendier
Ohatra  9  Kibo noana tsy mangataka andro. [2.558]
10  Koa mangataka olona aminao aho. [2.508]
11  Moa mety sa tsy mety ny mangataka amin' ny Razana? [2.314]
Haiendriteny 
12  Ny ankehitriny :
13  Ny lasa :
14  Ny hoavy :
15  Filaza mandidy :
Mpanahaka  16  mitalaho, mihanta, miangavy, mierina, mitosy, miangola, miangoty, mitambitamby, mivavaka, miambezo, mitofendro, mitampesona, mikonetaka, mifendrofendro, mitomany ambony fe, milela-paladia, mananty an-tanan-droa, manao hatapiso, manao hata-maso, manao hatak' adala
Kamban-teny 
Ohabolana  32  Ohabolana misy io teny mangataka io

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/17