|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  mijanona
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Mitsahatra mandeha, miteny, manao zavatra: Nijanona tamin' ny fito sy fahatelony ny famantaranandroko
Mitoetra, mipetraka, maharitra: Aza mijanona ela any an-tsena ~ Nijanona tapa-bolana tany Amborovy izahay
Mifarana, tsy mitohy intsony: Nijanona ny ady fa be loatra ny maty tamin' ny ankilany
Tapaka, miato: Nijanona hateloana ny orana dia avy indray
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] to stop
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.3#292] S’arrêter, rester, cesser, être interrompu, suspendu. Nijanona ný famantaranandro lehibe. L’horloge s’est arrêtée. Nijanona tany an-dàlana ny marary. Le malade s’est arrêté, est reste en route. Nahoana no nijanona ela toy izany tany an-tsena ialany ? Pourquoi es-tu resté si longtemps au rçarcné? Nijanona tsy misotro toaka intsony izy. Il a cessé de boire du rhum. Nijanona ny ady, nony maty ny Jeneraly. Le combat cessa, lorsque le général eut été tué. Nijanona io mpiasa io. Cet ouvrier a cessé de travailler, no travaille pas. Mijanona iray volana ny fanaovana ny tranon’ ny govornora. La construction de la maison du gouverneur est interrompue, suspendue endant un mois
6  [1.8] s'arrêter
Fototeny  7  janona
Haiendriteny 
8  Ny ankehitriny :
9  Ny lasa :
10  Ny hoavy :
11  Filaza mandidy :
Mpanahaka  12  miato, mitsahatra, mianona, mianina, mionona, miafitra, mitsatoka, miantsona, mihantona, manahana, mitokana, misento, maka aina, miala janona
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny mijanona io

Teny iditra (2/3)14  mijanona
Sokajin-teny  15  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  16  [1.13] tsy miova eo amin'ny toerana sy ny fotoana iray, tsy mandeha
Fanazavàna teny frantsay  17  [1.13] stationnaire; arrêté
Fototeny  18  janona

Teny iditra (3/3)19  mijanòna
Sokajin-teny  20  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mijanona [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  21  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  22  [1.3]
Ohatra  23  [2.996] mijanòna ianareo, ka mitalanjòna, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo!
Fototeny  24  janona

Fivaditsoratra  25  anjanoim, anjoanim, anjoniam, ianjonam, ijanonam, manjonia, maonjani, mianjona, mianjòna, mijanona, mijanòna

Nohavaozina tamin' ny 2025/05/13