Teny iditra | mitandrina (tandrina) | ||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||
Fanazavàna teny malagasy | Mampifantoka ny saina amin' ny zavatra iray ka manao izay rehetra azo atao mba tsy hisy hahavoa ny tena amin' izany: Mitandrema tsara rehefa mihazakazaka sao potraka Miambina olona, manara-maso izay ataony: Tovolahy kely iny no nitandrina ny mpianatra ka nolalaoviny fotsiny Mikarakara, manolokolo, mikajakaja: Aoka tandrina ity boky ity ohatra ny anakandriamaso ianao Manaraka, manatanteraka: Izay te ho voavonjy, aoka hitandrina ny didy [1.1] | ||||||||
Fanazavàna teny anglisy | To take care of; to look after; to be careful [1.7] | ||||||||
Fanazavàna teny frantsay | Prendre soin de, surveiller; avoir soin [1.8] | ||||||||
Ohatra | Aleo mitandrina ihany fa loza izay teo izay.
[2.4] | ||||||||
Haiendriteny |
| ||||||||
Ohabolana | Ohabolana misy io teny mitandrina io | ||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20 |