|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : aseho

Ohabolana 1Adala misikidy an-tranon-drafy, ka ny hafenina no nasehony. [2.415 #2053]
Toy ilay adala nisikidy an-tranon-drafy, ka ny afenina no aseho aloha. [2.558]
Toy ny adala misikidy an-tranon-drafy : ny kilema miafina ka asehoseho. [2.415 #2118, 2.653]
Dikanteny frantsayC' est comme l' imbécile qui consulte les sikidy sur l' avenir, dans la maison de son rival : il dévoile les défauts cachés. [2.415 #2118]
Imbécile qui va faire la divination par les sikidy dans la maison de son rival, et ce qu' il faudrait cacher, il le montre. [2.415 #2053]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui parlaient trop ouvertement de leurs affaires. [2.415 #2118]
Se disait des gens de peu de portée qui révélaient toutes leurs affaires. [2.415 #2053]

Ohabolana 2Fandrik' akanga mahavoa manditra, ka ny vandana tsy izy no aseho. [2.415]
Fandrik' akanga mahavoa manditra, ka ny vandana tsy izy no voa. [2.415]
Fandrik' akanga nahavoa manditra: ny vandan-tsy izy no voa. [2.165 #957, 2.653 #920]
Fandrik’ akanga nahavoa mandotra, vandan-tsy izy. [1.147 #F10, 2.165]
Fanazavana malagasyFandrik' akanga nahavoa mandotra: samy vandana ihany fa tsy izy. [2.165]
Dikanteny frantsayLe piège à pintades qui attrapa un serpent: c' est l' animal tacheté qui n' était pas le bon qui a été pris. [2.165]
Piège à pintade qui prend un gros serpent, et on montre la fausse couleur. [2.415 #4918]
Fanazavana frantsayDire que l' on a pris un serpent et le montrer, et garder pour soi la pintade. Se disait des trompeurs qui montre le faux et cache le vrai. [2.415 #4918]

Ohabolana 3Fotsy maso an-danonana, tsy vatra ny hiondrika, ka aseho vahoaka sao tsy mahita ny hitan' ny olona. [2.558]

Ohabolana 4Heloka am-po tsy ambara : tsy hita hieran-dalana; hitsim-po tsy aseho tsy hita hiarahabana. [2.558]
Heloka am-po tsy ambara tsy hita hieren-dalana ; hitsim-po tsy ambara tsy hita hiarahabana. [2.415 #4864, 2.653 #1045]
Dikanteny frantsayUn jugement téméraire non manifesté : celui qui en est l' objet ne peut pas l' esquiver ; un jugement favorable non manifesté : celui qui en est l' objet ne sait pas qu' il doit saluer pour se montrer reconnaissant. [2.415 #4864]

Ohabolana 5Omby maty anaka : raha tsy aseho ny lohany, tsy mamoy ny reniny. [2.558 #220]
Omby maty anaka : raha tsy aseho ny lohany, tsy mety mamoy ny reniny. [2.653 #2551, 2.415]
Dikanteny frantsayVache dont le veau meurt : si on ne lui montre pas la tête du veau, la mère ne l' abandonne pas comme mort. [2.415 #6378]
Fanazavana frantsaySe disait des gens qui sont tenaces dans leurs espérances malgré tout ce qu' on leur dit. [2.415 #6378]

Ohabolana 6Tsy ny dia manendrika no atao, fa izay hazakazaka an-tsena foana no aseho. [2.653 #3559]
Tsy ny dia manendrika no atao, fa izay hazakazaka an-tsena no hatranga. [2.558 #310]

Fizahan-teny