|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : atodiakoho

Ohabolana 1Atodiakoho ka ny matoa indray no voahosotra arina. [2.558 #344]
Atodiakoho : ny matoa indray no voahosotra arina. [2.415 #1143, 2.653 #323]
Dikanteny frantsayOeuf de poule : c'est l' aîné qui est marqué au charbon. [2.415]
Fanazavana frantsayOn marquait au charbon le premier oeuf qui était placé dans la corbeille pour attirer la poule ; ce proverbe se disait de l' aîné de la famille ou du plus digne, qu'il fallait respecter. [2.415]

Ohabolana 2Aza manao lahy antitra mahazo lamokan' atody akoho, ka tsy mitodi-jafy intsony. [2.165 #1958]
Lahy antitra nahazo lamokan' atodiakoho, ka tsy mitodi-jafy intsony. [2.415 #1826]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme un vieillard trouvant un œuf pourri et ne se tournant plus vers son petit-fils. [2.165]
Vieillard qui a trouvé un oeuf couvé et gâté, il ne se tourne plus vers son petit-fils. [2.415]
Fanazavana frantsayIl veut le manger seul. [2.415 #1826]
Parce qu' il veut le manger seul. Les œufs un peu gâtés étaient très estimés par certains. [2.165]

Ohabolana 3Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no hovonoina ka telo lahy no asaina mindram-pamaky. [2.558]
Aza mitabataba tonga rafozana : akoho iray no vonoina, ka fito lahy no mitsangana. [2.415 #1439, 2.653 #645]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodi-akoho no laoka, ka antsy solanga no zahana. [2.558 #783]
Aza mitabataba tonga rafozana : atodiakoho no laoka, ka famaky no tadiavina. [2.415 #1440, 2.653 #644]
Dedaka tonga rafozana : akoho no hovonoina ka telo lahy no asaina mitsangana. [2.558 #974]
Dedaka tonga rafozana : ka famaky no indramina ary sikina no henjanina, nefa akoho no ho laoka. [2.558]
Dedaka tonga rafozana, ka trano bongo ka asiam-pandri-baratra; akoho ka nindramam-pamaky; vola venty ka ampanjanahina; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.165]
Dedaka tonga rafozana : trano bongo ka asiam-pandri-baratra ; akoho ka nindramam-pamaky ; vola venty ka ampanjanahina ; eranambatry ka atao telo fonosana. [2.415 #1442]
Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no vonoina, ka dimy no mamono. [1.1]
Fanazavana malagasyMihetsiketsika be, nefa tsy hita izay vita, lasan-ko vavany. [1.1]
Dikanteny frantsayFanfaron qui reçoit ses beaux-parents : il n' a qu' une cabane et il y met un paratonnerre ; il n' a qu' un poulet et il emprunte une hache à découper ; il n' a que 80 centimes et il les prête à intérêt ; il n' a qu' un sou et il l' enveloppe trois fois. [2.415 #1442]
Ne faites pas tant de bruit comme une bru qui reçoit la visite de sa belle-mère : il y a des oeufs pour manger avec le riz, et elle demande une hache pour les casser. [2.415]
Ne mettez pas tout sens dessus dessous comme un gendre qui reçoit la visite des beaux-parents : sept hommes se lèvent pour tuer une poule. [2.415 #1439]
Un vantard recevant la visite de ses beaux-parents: sa maison n' est qu' une cabane et il y met un paratonnerre; il n' a qu' un poulet (à offrir), et il emprunte une hache (comme s' il avait du bœuf); il n' a que quatre-vingts centimes, et il les prête à intérêt: un sou, et il l' enveloppe trois fois. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait l' empressement des gendres à recevoir les beaux-parents ; il se disait aussi des gens parlant haut et troublant tout. [2.415 #1439]
Se disait des gens qui parlaient haut et voulaient dominer. [2.415 #1440]

Ohabolana 4Ingahy banga nihinana atodiakoho : ny filemodemoky ny vavany leoko ihany, fa ny fifalihavanjan' ny lelany no tsy tantiko. [2.558 #1437]
Ingahy banga nihinana atodiakoho : ny filemodemoky ny vavany leoko ihany, fa ny fifalihavanjan' ny lelany no tsy tohako. [2.415 #1816, 2.653]
Dikanteny frantsayVieillard édenté qui mange des oeufs : quand sa bouche se serre, je peux encore me tenir de rire ; mais quand sa langue frétille, je ne peux plus. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait, en manière de plaisanterie, des vieux qui n' ont plus de dents. [2.415 #1816]

Ohabolana 5Ny lamokan' atodiakoho no tsy nomen' ny vaventy ny ankizy dia fanariana dia ny rariny. [2.558 #3070]
Ny lamokan’ atody akoho no tsy nomen’ ny vaventy ny ankizy, dia fanariana ny rariny. [2.653 #2298]

Fizahan-teny