|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : atoraka

Ohabolana 1Afo lavitra tsy azo amindroana ; vary zato tsy enti-mandeha. [2.974 #488]
Ro tsy atoraka ; vary zato tsy enti-mandeha. [2.653 #2796]
Vary zato tsy enti-mandeha. [2.415 #2260, 2.558 #4883, 2.165]
Dikanteny frantsayFlamme éloignée ne peut vous chauffer; cent mesures de riz ne peuvent se transporter en voyage. [2.974 #488]
On ne peut emporter cent (grandes) mesures de riz avec soi. [2.165]
On ne peut pas emporter avec soi cent grandes mesures de riz. [2.415 #2260]
Fanazavana frantsaySe disait des biens qu'on ne pouvait dépenser que sur place. [2.415 #2260]

Ohabolana 2Antoraka indroa, toy ny mpinona tanan-doza. [2.653 #324]
Atoraka indroa ohatra ny mpinona an-tanan-doza. [2.165, 2.558]
Atoraka indroa toy ny mpinona tanan-doza. [2.415 #2585]
Dikanteny frantsayDeux frois frappé, comme celui qui a bu le tanguin et ne peut pas rejeter les peaux du poulet. [2.415 #2585]
Être doublement frappé, comme un accusé qui boit le tanguin et qu' un autre malheur attend. [2.165]
Fanazavana frantsayAllusion à l' épreuve par le poison tanguin ; ceux qui ne rendaient pas les peaux étaient censés coupables. [2.415 #2585]
Ses biens seront confisqués, ou il sera enseveli comme un malfaiteur. [2.165]

Ohabolana 3Aza manome vato hatoraka ny tena. [2.653 #585, 2.974 #256]
Dikanteny frantsayNe pas offrir une pierre qui peut vous être jetée. [2.974 #256]

Ohabolana 4Badolahy miantsena: siramamy ka atoraka alika. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona tsy ampy fiheverana, kely saina, ka tsy hainy akory ny manavaka ny tsara sy ny ratsy, ny mahasoa sy ny tsy ilaina. [1.1]

Ohabolana 5Ny mahia zokin' antitra, ary ny tsy manam-bato hatoraka zandrin-jaza! [2.558 #3093]
Ny mahia, zokin’ antitra ; ny tsy manam-bato batoraka, zandrin’ olona. [2.653 #2309]

Ohabolana 6Ny tsy manam-bato hatoraka sy ny ory lava volombava, dia samy zandrin' olona sarotra itodihana sy zoky manjary faralahy. [2.558 #3342]

Ohabolana 7Ro tsy atoraka. [2.165]
Toy ny ro, tsy atoraka. [2.165 #2264, 2.415 #4611]
Dikanteny frantsayC' est comme de la sauce : on ne peut pas s' en servir comme projectile. [2.415 #4611]
Comme de la sauce: on ne peut s' en servir comme projectile. [2.165 #2264]
On ne peut pas employer de la sauce comme projectile. [2.165]

Ohabolana 8Salohy natora-bato : dora laha miherina. [1.147 #S11]
Salohy natora-bato: tonga añy laha-miheriña. [2.165]
Salohy natoraka amim-bato: tonga any vao miverina. [2.165]

Ohabolana 9Vato atora-pody, ka tsy hatahorany izay vary hiraraka. [2.415 #3424]
Vato atora-pody ka tsy mataho-bary hihintsana. [2.415 #3424, 1.1]
Vato natoraka ny fody, ka tsy mataho-bary ho raraka. [2.165 #869]
Vato natora-pody ka tsy mataho-bary ho raraka. [2.558 #318]
Vato natora-pody: tsy mataho-bary ho hihintsana. [2.653]
Vato natora-pody: tsy mataho-bary ho raraka. [2.653]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra tsy maintsy atao noho ny soa kendrena aminy, ka tsy ajanona na inona inona tonga. [1.1]
Dikanteny frantsayC' est une pierre qu' on a lancée contre un moineau, sans se soucier du riz qu' on répand en ce faisant. [2.165]
Pierre lancée contre les cardinaux qui dévastent les rizières : elle fait son chemin sans se préoccuper des dégâts qu' elle fera dans la rizière et du riz qu’elle répandra à terre. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait de l’envoyé qui est semblable à la pierre lancée, et fait sa commission sans se préoccuper des dégâts qui en résulteront ; se disait en général d’un but à atteindre malgré tout. [2.415]
Se dit en parlant d' une action téméraire. [2.165]

Ohabolana 10Vato natora-mamba, ny natoraka nilentika, ny notorahana nilentika koa. [2.558 #317]

Ohabolana 11Voanjo natoraka an-tsihivitrana, ka ny manahy no mahita izay nikatrahany. [2.415 #5883]
Voanjo natoraka an-tsihivitrana, ka ny nanahy no mahita izay nikatrahany. [2.653 #3705]
Voanjo natoraka an-tsihivitrana, ka ny nanahy no nahita izay nikatrahany. [2.558 #4991]
Dikanteny frantsayArachides jetées sur une grande natte formée de deux nattes cousues ensemble : celui qui les fait sécher sait bien où elles sont tombées. [2.415 #5883]
Fanazavana frantsayIl les couve du regard. [2.415 #5883]

Fizahan-teny