Fizahan-teny

Ohabolana : fatambary

Ohabolana 1Amboninjato niongana ve no mitsara adin' akoho, sa governora reraka no mikiraro fatambary ? [2.415 #2482]
Dikanteny frantsayEst-ce un centenier destitué pour qu' il juge un combat de coqs, ou un gouverneur ruiné pour qu' il mette à ses pieds une petite mesure de riz en guise de soulier? [2.415 #2482]
Fanazavana frantsaySe disait des gens déchus et ruinés. [2.415 #2482]

Ohabolana 2Anarany ihany hoatry ny fatambary fahavaratra. [2.415 #1607]
Anarany ihany, ohatra ny fatambary fahavaratra. [2.653]
Anarany ihany sahala amin' ny fantambary fararano. [2.558 #210]
Dikanteny frantsayIl n' y a que le nom, comme la mesure du riz en été. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des choses ou des gens qui devenaient inutiles, comme la mesure de riz quand il n' y a plus de riz. [2.415 #1607]

Ohabolana 3Fatambary hariva ka tsy azon-tsampona intsony. [2.558 #1130]
Fatambary hariva, ka tsy azo sakanana intsony. [2.653 #940]
Tsy azon-tsampona sahala amin' ny fatambary hariva. [2.558 #4485]
Tsy azon-tsampona, toy ny fatambary hariva. [2.653 #3341]

Ohabolana 4Izay tsy mahay sobiky dia mahay fatambary. [2.165 #1599]
Izay tsy mahay sobiky mahay fatambary. [2.653 #1205, 2.974 #13]
Dikanteny frantsayCelui qui ne sait pas faire une corbeille, peut tresser un petit panier. [2.165]
Si le sobiky vous dépasse, faites des fatambary. [2.974 #13]
Fanazavana frantsayMême le plus incapable peut faire quelque chose. [2.165]

Ohabolana 5Malahelo be fatambary : hanao be, izany no toa tsy mampanana, hanao kely toa maty fahavelona. [2.558 #1910]
Malahelo be fatambary hianao: hanao be, izany no tsy mampanana anao; hanao kely, toa maty fahavelona. [2.415 #2513, 2.653 #1446]
Dikanteny frantsayVous êtes pauvre et vous avez une grande mesure pour les rations de riz : si vous voulez prendre bonne mesure, on dit que c' est pour cela que vous ne possédez rien ; si vous voulez prendre petite mesure, on dit que vous êtes mort bien que vivant : vous aurez toujours tort. [2.415 #2513]

Ohabolana 6Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra : ahafahana iray fatambary isan' andro, ka ho levona ihany no farany. [2.415 #2639, 2.653]
Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra : ahafahana isan' andro, ka levona ihany no farany. [2.558 #2848]
Ny alahelo toy ny vary an-tsompitra: ka ahafahana iray fatambary isan-andro, dia ho levona ihany no farany. [2.165 #1019]
Dikanteny frantsayLa tristesse est comme la provision de riz dans le grenier : tous les jours on en enlève une petite mesure, et à la fin il n' en restera plus rien. [2.415 #2639]
Le chagrin est comme le riz dans le grenier: chaque jour il diminue d' une petite mesure, et à la fin il n' en reste plus. [2.165]
Fanazavana frantsayLe temps est un grand maître. [2.165]
Le temps vient à bout des chagrins. [2.415 #2639]

Ohabolana 7Raha indray mandeha no misambo-bary ka tsy mahazo, aza mandoro ny fatambary. [2.165 #966]
Raha indray mandeha no misambo-bary tsy mahazo, aza dorana ny fatambary. [2.558 #230]
Dikanteny frantsayPour une fois que vous désirez emprunter du riz et qu' on ne vous en donne pas, n' allez pas brûler la petite corbeille. [2.165]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas se décourager trop vite! [2.165]

Ohabolana 8Tsy mahay sobika dia mahay fatambary. [2.415 #867]
Dikanteny frantsayCeux qui ne peuvent pas faire de grandes mesures de riz peuvent en faire de petites. [2.415 #867]
Fanazavana frantsayChacun doit faire ce qu'il peut et ainsi il est possible de se rendre service mutuellement. [2.415 #867]

Ohabolana 9Vary indroan’ ny fatambary : ny iray ialemana, ary ny iray isakafoana. [2.653 #3617]
Vary indroan' ny fatambary : ny iray ielemana ary ny iray isakafoana. [2.558 #4874]
Vary indroan’ ny fatambary : ny iray isaka-foana, ny iray ialemana. [2.974 #236]
Vary roa tanty (indroan' ny fatambary); ny iray ialemana, ny iray isakafoana. [1.1]
Fanazavana malagasyIlazana ny zavatra efa voakendry amin' izay iheverana azy avy. [1.1]
Dikanteny frantsayDeux mesures de riz : la première servira au repas, la seconde à s’assurer pour la nuit. [2.974 #236]

Ohabolana 10Voninahitra an-tsobiky tsy atao am-patambary. [1.1]
Voninahitra omena ny sobika, fa ny fatambary ihany no handraofana. [2.415 #2269]
Voninahitra omena ny sobika, fa ny fatambary no tompon' ny fatra. [2.415 #2269]
Voninahitra omena ny sobiky, fa ny fatambary no azo handraofana ihany. [2.653]
Voninahitra omena ny sobiky fa ny fatambary no tompon' ny fatra. [2.558 #327, 2.653]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa ny haja sy zo tokony hipetraka eo amin' ny zava-dehibe dia tsy tokony haetry amin' ny zavatra madinika. [1.1]
Dikanteny frantsayLa corbeille est considérée avec respect mais c' est le fatambary ou petite mesure de riz qui est le maître de la mesure, c' est lui qui puise dans la corbeille à riz. [2.415 #2269]
Fanazavana frantsayIl ne faut pas mépriser les petits car on a souvent besoin d' un plus petit que soi. [2.415 #2269]

Fizahan-teny