|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : ihinanana

Ohabolana 1Andriamatahitra tsy tia foza : omeo anahy ny takony hihinanako ny tainy. [1.147 #A66]

Ohabolana 2Aza dia ny fitiavana avoko no hihinanana somalon-dona, fandrao idiran-doza. [2.653 #382]
Aza dia ny fitiavana avoko no ihinanana soamalandona. [2.558 #443]

Ohabolana 3Aza mangery am-bilia ihinanana. [2.415 #4471]
Dikanteny frantsayN' allez pas à la selle dans la vaisselle où vous mangez. [2.415 #4471]
Fanazavana frantsayRappel à la propreté : certains se lavaient les mains et la bouche dans le plat qui venait de servir pour la nourriture. [2.415 #4471]

Ohabolana 4Ela no nihinanan-dronono, ka fotsy ny volom-bava. [2.415 #1810, 2.558 #1032, 2.653 #869]
Dikanteny frantsayIl y a longtemps qu' on boit du lait, aussi la barbe commence-t-elle à blanchir. [2.415 #1810]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait par manière de plaisanterie ; on l' employait pour dire qu' à force de courir après la richesse on devient riche. [2.415 #1810]

Ohabolana 5Malaza tsy hihinanana toa viliantsahona. [2.558 #1934]
Malaza tsy ihinanana hoatry ny viliantsahona. [2.415 #1648]
Malaza tsy ihinanana ohatra ny viliantsahona. [1.1]
Malaza tsy ihinanana, toy ny viliantsahona. [2.165 #819, 2.653 #1460]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona na zavatra mireondreona erý araka ny anarany, fa ny toetrany na ny zava-bitany tsy misy inona. [1.1]
Dikanteny frantsayCelui qui jouit d' une réputation qu' il ne mérite pas, est comme l' herbe aquatique appelée écuelle des grenouilles, bien que les grenouilles n' y mangent pas. [2.415 #1648]
De grande réputation, mais dont on ne se sert pas pour manger, comme "l' écuelle des grenouilles" , (nom d' une herbe aquatique à petites feuilles arrondies). [2.165]
Fanazavana frantsayDans un autre sens on appliquait l' expression aux mauvais sujets. [2.415 #1648]

Ohabolana 6Mangala ny taolany hihinanana ny isiny. [1.147 #M58]

Ohabolana 7Mody lesoka hihinanana ny kitozan' ny marary. [2.558 #2546]

Ohabolana 8Odre ! tsy mbola malazo ny ravina nihinanana ka dia misaraka ! lehilahy tsy mba valahara izany ! [2.415 #1400]
Dikanteny frantsayComment ! les feuilles qui ont servi de nappes à votre repas de noces ne sont pas encore sèches, et voilà que vous répudiez votre femme ! c' est là le fait d' un homme sans pudeur. [2.415 #1400]
Fanazavana frantsaySens général : mariage trop tôt rompu, amitié trop tôt finie. [2.415 #1400]

Ohabolana 9Raha hihinan-droa trano tsy ho voky, tsy aleo mitsahatra amin' ny efa nihinanana. [2.558 #3573]
Raha hihinan-droa trano tsy ho voky, tsy mahaleo ny mitsahatra amy ny efa nihinana. [2.653]
Raha hihinan-droa trano tsy ho voky, tsy mahaleo ny mitsahatra amin' ny efa nihinana. [2.415 #5818]
Dikanteny frantsayCelui qui mangera dans deux maisons sans être. [2.415 #5818]

Ohabolana 10Raha indrindra ho hanim-biby ihany, aleo kaikerin' ny renin-tantely, fa ireny no ela nihinanana ny mamy, ary raha indrindra ho fatoram-bahy ihany, aleo fatoran' ovy, fa ireny no efa nahitana ny vokatra. [2.558]
Raha indrindra hohanim-biby ihany, aleo kekerin' ny renitantely, fa ireny no efa nihinana ny mamy ; ary raha indrindra ho fatoram-bahy ihany, aleo fatoran' ny ovy, fa ireny no efa nahitana ny vokatra. [2.415 #732, 2.653]
Dikanteny frantsayS' il faut être dévoré par les bêtes, il vaut mieux être piqué par des abeilles, car elles ont mangé des douceurs ; s' il faut être garrotté avec des lianes, il vaut mieux être attaché avec des ignames, car on en a tiré des fruits. [2.415 #732]
Fanazavana frantsaySe disait des grands qui exploitaient le peuple, mais en y mettant des formes. [2.415 #732]

Fizahan-teny