|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mafanafana

Ohabolana 1Mafampana hoatry ny ratsy ataon-kavana. [2.415 #1091]
Mafanafana ohatra ny ratsy ataon-kavana. [2.165, 1.1]
Mafanafana sahala amin' ny latsa ataon-kavana. [2.558 #1829]
Mafanafana sarotra inoana tahaka ny ratsy ataon-kavana. [2.558 #1830]
Mafanafana, toy ny ratsy ataon-kavana. [2.653]
Maharary hoatry ny ratsy ataon-kavana. [2.415 #1091]
Mahararirary, toy ny ratsy ataon-kavana. [2.653 #1409, 2.974 #364]
Fanazavana malagasyRehefa ny havana izay tena tokony hanampy no manisy ratsy dia tena mangidy tokoa fa tsaroan' ny aina ka mafana sy manempotra. [1.1]
Dikanteny frantsayExcessivement sensible, comme les mauvais procédés d’un parent. [2.974 #364]
Pénible comme le mal fait par un parent. [2.415 #1091]
Pénible (litt. assez chaud) comme le mal fait par des parents (ou amis). [2.165]
Fanazavana frantsayOn sent plus vivement les mauvais traitements lorsqu'ils viennent des parents. [2.415 #1091]

Ohabolana 2Mafanafana, toy ny aretin’ andriana. [2.415 #208, 2.558 #1828, 2.653 #1393]
Dikanteny frantsayC' est une indisposition, comme dans la maladie du souverain. [2.415 #208]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui cachent le mal, et plus généralement de ceux qui disent peu pour beaucoup ; ainsi lorsque le souverain était atteint de maladie, on disait qu'il était indisposé. [2.415 #208]

Ohabolana 3Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mafanafana. [2.415]
Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mamy. [2.415]
Tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina. [2.165 #265]
Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana laitra ihany. [1.1]
Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany. [1.1]
Tsy misy mangidy toy ny sakay; fa raha teny ierana, mafanafana. [2.653 #3533]
Tsy misy mangidy toy ny sakay fa rehefa teny ierana mamy. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza fa rehefa sitraka sy nifanarahana, dia maniary mora na dia sarotra sy manahirana aza. [1.1]
Na inona na inona hasarotan-javatra eo amin' ny fifampiraharahana, rehefa ifanarahana vita ihany. [1.1]
Na inona na inona zava-tsarotra, rehefa ifanarahana tonga mora. [1.1]
Dikanteny frantsayRien n' est plus cuisant que le piment, mais quand il y a union et entente, c' est doux à manger. [2.415 #4842]
Rien n' est plus piquant que le piment, mais si l' on s' accorde pour cela, on le mange quand même. [2.165 #265]
Fanazavana frantsayLes peines sont adoucies en famille. [2.415 #4842]

Fizahan-teny