|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mandimby

Ohabolana 1Amboa nihaza mamba, ka mandimby ananana. [2.165 #1720, 2.653 #128]
Amboa nihaza mamba, ka nandimby ananana. [2.558 #175]
Dikanteny frantsayUn chien chassait un crocodile, et les rôles ont changé (c.à.d. c' est le crocodile qui a pris le chien). [2.165]
Fanazavana frantsayUn voleur volé. [2.165]

Ohabolana 2Fandrotrarana an-tananaolo : mandimby rainy tsy satry. [2.653 #923]
Fandrotrarana an-tanàna haolo ka mandimby ray tsy satry. [1.1]
Fandrotrarana an-tanàna haolo : mandimby rainy tsy satry. [2.415]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ireo olona voatery hiteny ampahibemaso na hikabary satria tsy eo intsony ireo zokiolona tokony hanao izany. [1.1]
Dikanteny frantsayChiendents dans un village abandonné : ils succèdent à leurs pères sans l' avoir désiré. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des mauvais héritages ; se disait aussi des enfants qui héritaient trop jeunes de leurs parents. [2.415 #3172]

Ohabolana 3Izy no tsara torimaso, efa nahalehibe zaza handimby (hisolo) azy. [2.558 #1534]

Ohabolana 4Ny mandimby anaran-dray soa : sarotra. [2.558 #3110]
Ny mandimby ray soa sarotra. [2.415 #885, 2.653 #2322]
Sarotra ny mandimby anaran-dray soa. [2.415 #1000]
Dikanteny frantsayIl est difficile de succéder dignement à un père parfait. [2.415 #885]
Le nom d' un père illustre est difficile à porter. [2.415 #1000]

Ohabolana 5Rafotsibe manara-moron-drano ka tsy mahazo, dia miroboka ka maty nandimby ananana. [2.415 #1900]
Dikanteny frantsayVieille qui suit le bord de l' eau pour pêcher ; ne prenant rien, elle se met à l' eau pour poursuivre les poissons, elle se noie et devient la proie de ceux qu' elle voulait manger. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des plaideurs qui perdaient leurs biens dans les procès où ils voulaient prendre le bien des autres. [2.415 #1900]

Ohabolana 6Tsy ny kirihitr’ ala no maty, ka ampanga no handimby; fa ny ala-be no maty, ka hazo mena no mandimby. [2.653 #3567]

Fizahan-teny