|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mifankatia

Ohabolana 1Mifankatia amin' amalona ka nony sendra tia nabolaliny. [2.558 #2302]
Mifankatia amin' amalona: ka nony sendra tia, nabolilany. [2.165 #193]
Mifankatia amin-amalona: nony sendra tia, nabolilany. [2.415 #5388, 2.653 #1756]
Dikanteny frantsayLier amitié avec une anguille : lorsqu' on s' éprend d' amour pour elle, elle vous glisse entre les doigts. [2.415 #5388]
Rechercher l' amitié d' une anguille: quand par hasard on l' aime, elle s' esquive. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait d' une liaison avec une personne égoïste. [2.415 #5388]

Ohabolana 2Mifankatia tsy amin-damba ka tsy misy ifam-bombana. [2.558 #2303]

Ohabolana 3Mifankatia tsy mifamarafara: ady no farany. [2.165 #301, 2.653 #1757]
Mifankatia tsy mifamarafara ka ady no farany. [2.558 #2304]
Dikanteny frantsayS' aimer sans s entendre: ça finit par des querelles. [2.165 #301]

Ohabolana 4Mitari-bato tsy mihoraka: very ny androatokon' aina. [1.1]
Raha mitari-bato tsy mihoraka, very ny an-droatokon’ aina; raha mifankatia tsy miresaka, very ny an-droatokom-pihavanana. [2.558 #235, 2.653 #2697, 2.974]
Fanazavana malagasyRehefa manao zava-tsarotra ifanakonana, manome hery sy ahavitana be ny fiarahana mihorakoraka, mihirahira, fa tsy mangingina samy maka ho azy. [1.1]
Dikanteny frantsayPousser une grosse pierre et ne pas crier, c’est perdre les deux tiers de ses forces ; (s’aimer et ne pas se le dire, c’est perdre les deux tiers de l’affection). [2.974 #19]

Ohabolana 5Mpisakaiza, toa miombon-dray; mifankatia, toa miombon-dreny. [2.558 #168, 2.653 #1988]
Mpisakaiza toa mpiombon-dray; mpifankatia toa mpiombon-dreny. [2.165]
Dikanteny frantsayDe bons camarades semblent avoir le même père; de bons amis semblent avoir la même mère. [2.165]

Ohabolana 6Ny hazo avo halan-drivotra, ny vaky molotra halan-tsakay, ny idimaso halan-tsetroka, ary ny mifankatia halan' olona. [2.415 #660]
Dikanteny frantsayLes arbres élevés sont battus du vent, les lèvres fendues sont abîmées par le piment, les yeux chassieux sont éprouvés par la fumée, les gens qui s'aiment font des jaloux. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens exposés aux difficultés. [2.415 #660]

Ohabolana 7Ny maty no tsara levenana, ny velona no mifankatia. [2.558 #3137]

Ohabolana 8Raha mpihavana tsy mifankatia, asaivo mijery ny fasana mivoha. [2.558 #3628]

Ohabolana 9Raha mpivady tsy hifanaja, ka dia ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.415]
Raha mpivady tsy hifankatia, ka dia ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.415]
Raha mpivady tsy hifankatia: ny mianadahy mifanaja no tsara. [2.558 #3630, 2.653 #2701]
Dikanteny frantsayLorsque des époux ne s' aiment plus et ne se respectent plus, il vaut mieux que le divorce soit prononcé et que la femme redevienne la soeur respectée et protégée de son frère. [2.415]

Fizahan-teny