|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : tanantanana

Ohabolana 1Akoholahy ambony tanantanana: mifoha maraina tsy mba mihehy. [2.653 #58, 2.415]
Dikanteny frantsayCoq perché sur un ricin : il se lève de bon matin, mais il ne gratte pas la terre. [2.415 #2987]
Fanazavana frantsaySe disait des jeunes libertins qui étaient paresseux et stationnaient de bonne heure sur les places publiques au lieu de travailler. [2.415 #2987]

Ohabolana 2Akoholahin' an-tanantanana : mivoaka maraina fa tsy mitsindroka. [2.558]

Ohabolana 3Aza atao tanantanana ivelan’ ny fahitra lahy. [2.653 #365]
Aza atao tanantanana ivelan' ny fahitra lahy aho. [2.165 #269]
Aza atao tanantanana ivelan' ny fahitra re aho. [2.558]
Aza manao zaza mena volo na tanantanana ivelan' ny fahitra. [2.558]
Aza manao zaza mena volo, tanantanana ivelan' ny fahitra. [2.415 #961, 2.653 #555]
Dikanteny frantsayNe me traitez donc pas comme un ricin poussant isolé en dehors du parc à bœufs. [2.165]
Ne traitez pas le nouveau-né comme un ricin qu' on jette du parc à boeufs, parce qu' il a les cheveux roux et qu' il est laid. [2.415]
Fanazavana frantsayLe ricin était regardé comme une plante inutile : on l' arrachait lorsqu' il poussait dans le parc à boeufs. [2.415]

Ohabolana 4Kakazo maro tanantanana tsy ilatsaha-mananika. [1.147 #K10]

Ohabolana 5Tanantanana ambany akondro : sady tsy momba ny velona hatao soroka tsy momba ny maty hatao kitay. [1.147 #T26]

Ohabolana 6Tanantanana am-piringa : isampazan' ny akoho manaraina. [2.415 #3142]
Dikanteny frantsayRicin dans le fumier : la poule s' y perche le matin. [2.415 #3142]
Fanazavana frantsayLe sens est : tant pis pour ceux qui se mettent dans une mauvaise situation. [2.415 #3142]

Fizahan-teny