|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : tolona

Ohabolana 1Aza manao toloho mampirehoka ny omby. [2.165 #1352, 2.558 #593]
Aza manao toloho mampirehoka omby. [2.653 #520]
Aza manao tolona mampirehoka omby. [2.653 #520]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme un coucou qui épouvante (litt. fait beugler) un bœuf. [2.165]

Ohabolana 2Manao tolon’ Ilaihavia : ny anilany tsy lavo, ny anilany tehafi-maso. [2.653 #1559, 2.415]
Manao tolon' Ilaikavia: ny an-ilany tsy lavo, ny an-ilany tehafi-maso. [2.165]
Manao tolon' ilaikavia : ny an-tratra tsy lavo, ka ny an' ila tehafi-maso. [2.558 #2017]
Dikanteny frantsayLutte à la manière d'Ilaihavia le gaucher : d' un côté il n' arrive pas à terrasser son adversaire, de l' autre il frappe des yeux et foudroie du regard. [2.415]
Lutter comme un gaucher: l' un de ses adversaires n' est pas encore renversé, mais il tape sur l' œil de l' autre. [2.165]
Fanazavana frantsayIl est habile! [2.165]
Se dit des lutteurs maladroits. [2.415]

Ohabolana 3Mitolona am-batolampy : izay ratsy fihazona no vaky loha. [2.415 #3493, 2.653 #1871]
Mitolona am-batolampy, ka izay ratsy fihazona no vaky loha. [2.165 #327]
Mitolona am-batolampy, ka izay ratsy fihazona vaky loha. [2.558 #2458]
Tolona am-batolampy, ka izay ratsy fihazona vaky loha. [2.558 #4165]
Dikanteny frantsayLutte à mains plates sur un rocher en pente : celui qui serre mal aura la tête fracassée. [2.415 #3493]
Quand deux se battent sur un rocher, celui qui ne tient pas bien a la tête cassée. [2.165]
Fanazavana frantsayIl arrive malheur aux faibles qui veulent lutter. [2.415 #3493]

Ohabolana 4Mitolona amin' olon-tiana ka aleo lavony toy izay mahalavo azy. [2.558 #2460]
Tolona amin' ny sakaiza tiana; aleo lavony toy izay mahalavo azy. [1.1]
Tolona amin' olon-tiana, ka aleo lavony toy izay mahalavo azy. [2.558 #4165]
Tolona amin-tsakaiza tiana : aleo lavony toy izay handavo azy. [2.415 #3520, 2.653 #3111, 2.974]
Dikanteny frantsayLutte avec une personne aimée : il vaut mieux se laisser vaincre que de vaincre soi-même. [2.415 #3520]
Quand on lutte avec un ami très cher, on préfère être renversé par lui que de le renverser. [2.974 #22]

Ohabolana 5Tolom-boka, ka masoandro no fetra. [2.558 #4166]
Tolom-boka : masoandro no fetra. [2.415 #3519, 2.653 #3113]
Dikanteny frantsayLuttre entre lépreux : cela dure tout le jour. [2.415 #3519]
Fanazavana frantsayLes lépreux ne peuvent pas se saisir, puisqu' ils n'ont pas de doigts ; ce proverbe se disait des querelles interminables. [2.415 #3519]

Ohabolana 6Tolon’ aomby an-tsavoka : tsy azoazoko tsara. [1.147 #T84]

Ohabolana 7Tolona tsy omby tratra. [2.415 #795, 2.558 #269]
Dikanteny frantsayLa lutte contre les chefs est une lutte au-dessus des forces de la poitrine. [2.415 #795]
Fanazavana frantsayLe pot de terre contre le pot de fer. [2.415 #795]

Ohabolana 8Tolon’ i Levia : ny an-tratra tsy lavo, ny hafa asahain-dreny. [1.147 #T87]

Ohabolana 9Tolon' ombiny Manendy: masoandro no fetra. [2.653 #3114]
Tolon' ombin' ny Manendy, ka ny masoandro mody no fetrany. [2.558 #270]
Tolon' ombin' ny Manendy : masoandro no fetra. [2.415 #3521]
Dikanteny frantsayCourses de boeufs des Manendy : cela dure toute la journée tellement ils s' y passionnent. [2.415]

Fizahan-teny