Teny iditra kinga
Sokajin-teny mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy Fatrapanao zavatra haingana sy tsara, haingam-panao zavatra, mailaka, mivikiviky: Kinga ery Ikoto rehefa miasa
Mahay, havanambanana: Mpitendry zavamaneno kinga Rakoto.
Mitovy hevitra: fanalo ~ lahilahy ~ mailaka ~ mailamailaka ~ malady ~ malaky ~ mariadriaka ~ marisika ~ matselaka ~ mavibika ~ mavika ~ mavitribitrika ~ mavitrika ~ mivikiviky ~ tselika [1.1]
 Maila-pihetsika [1.13]
Fanazavàna teny anglisy Clever, quick, shrewd [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Habile, leste [1.8, 1.13]
 Adroit, agile [1.13]
Ohatra 
1Kinga sy maha miafina koa ry ilay matsaka [2.470]
2Nisy mpitoraka kinga iray efa nomanina amin' ireo mpanotrika akaiky. [2.472]
Haiendriteny 
Tsotra : kinga
Filaza mandidy : kingà
Sampanteny 
Tovy hevitra kingakinga

Teny iditra kin
Sokajin-teny filaza mandidin' ny mpamaritra kinga [fitanisana]
Ohatra Ary ialahy, ry Dera, mba kingà  sy mahaiza mihetsika, fa misy zavatra kendreko amin' ialahy amin' izao fahatongavan' izy telo mianaka aty izao. [2.4]

Teny iditra kinga
Sokajin-teny anarana
Fanazavàna teny frantsay  [Tankarana] Petit cours d'eau, ruisseau, affluent. § tanandranoboka, vinany. [1.19]
Voambolana 

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31