|
|
|
|

Teny iditra1  matahotra
Fototeny  2  tahotra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4  Mahatsiaro ny tena ho manahinahy eo anoloana na eo am-pieritreretana loza iray na olona na zavatra tsy sahy hatonina: Matahotra an-drainy mafy Isambilo fa nisy ratsy nataony [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  5  to be afraid of [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  6  craindre, être craintif [1.8]
Haiendriteny 
7  Ny ankehitriny :
8  Ny lasa :
9  Ny hoavy :
Mpanahaka  10  miraika, raiki-tahotra, tora-kovitra, tsiravina, an-koditra, kenda, ranga, manambadi-po, miraikibolomaso, mikoso-maso, kasoka, taibombona, mamafy ketsa, mangovitra, manahy, manahy velona, mifihifihy, miritra aina, mihararetra, mipararetra, rano andravina, mihoron-koditra, mihoron-kodidoha, mitsangam-bolo, mihendratra, manangambovona, mimalo, miholy, mivadika ambavafo, midobodoboka ambavafo, mangitakitaka, mitaintaina, mihotakotaka, velona ahiahy, mitebiteby, mihorohoro, mangorohoro, mihena velona, an-tenda ny aina, tai-dava, mandry tsy lavo loha, mandry an-driran' antsy, mandry an-driran-defona, mandry tsirangaranga
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  13  Ohabolana misy io teny matahotra io

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20