|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : rantsana

Ohabolana 1Dimy dia manala rantsana. [2.415 #6690]
Dikanteny frantsayCinq pieds moins la longueur des orteils. [2.415 #6690]

Ohabolana 2Hianao (anie) no papango sasaky ny vorona, ankihibe mahaleo ny an-tsasany, felatanana mangaika ny rantsana. [2.653 #1063]
Hianao no papango sasaky ny vorona, ankibe mahaleo ny antsasany, felan-tana-mangaika ny rantsana. [2.558]
Hianao no papango sasaky ny vorona, ankihibe mahaleo ny an-tsasany, felatanana mangaika ny rantsana. [2.974]
Hiano no papango sasaky ny vorona, ankibe mahaleo ny an-tsasany, felatanana mangaika ny rantsana. [2.415 #636]
Dikanteny frantsayVous êtes le papango prince des oiseaux, le pouce qui fait la moitié du travail, la paume de la main où aboutissent les doigts. [2.974 #342]
Vous êtes l' oiseau de proie papangue qui est la moitié de la gent ailée, vous êtes le pouce qui vaut la moitié de la main, vous êtes la paume de la main qui réunit les doigts. [2.415 #636]
Fanazavana frantsayC' est de vous que dépend toute l' affaire ; paroles qu'on disait aux grands et aussi aux prétentieux. [2.415 #636]

Ohabolana 3Ladim-boatavo ny olombelona : iray fototra, fa maro rantsana. [2.415 #1087]
Dikanteny frantsayIl en est des hommes comme des tiges de citrouilles : il n' y a qu' une tige, mais elle se partage en beaucoup de rameaux. [2.415 #1087]
Fanazavana frantsaySe disait des familles. [2.415 #1087]

Ohabolana 4Maty foana, hoatry ny mamelon-jaza boka : miandry izay hahalehibiazany, kanjo nilaozany nanala rantsana. [2.415]
Maty foana, ohatra ny mamelon-jaza boka miandry izay hahalehibiazany, kanjo nilaozany nanala-rantsana. [2.653]
Maty foana ohatra ny mitaiza zaza boka : miandry izay hahalehibeazany kanjo nilaozany nanala rantsana. [2.558]
Dikanteny frantsayPeiner pour rien, comme celui qui élève un enfant lépreux : on attend qu' il grandisse et il est en train de perdre ses doigts. [2.415 #2010]
Fanazavana frantsaySe disait de ceux qui travaillent en pure perte. [2.415 #2010]

Ohabolana 5Ny felatanana mangaika ny rantsana. [2.415 #5204, 2.653 #2224, 2.558]
Dikanteny frantsayLa paume de la main relie les doigts. [2.415 #5204]
Fanazavana frantsaySe disait d' une personne influente qui fait l'union. [2.415 #5204]

Ohabolana 6Tsy hita lavadavaka, hoatry ny boka misikidy rantsana. [2.415 #2028]
Tsy hita lavadavaka, ohatra ny boka misikidy rantsana. [2.653, 2.165]
Tsy hita lavadavaka ohatra ny boka misikidy rantsana haniry. [2.558]
Dikanteny frantsay "On n' y peut rien du tout" , s' écrie le lépreux consultant le devin pour se faire revenir des doigts (qu' il a perdus par la maladie). [2.165]
On n' y voit rien : c' est comme un lépreux qui consulte la divination pour voir s' il recouvrera ses doigts. [2.415 #2028]
Fanazavana frantsayLe lépreux a les doigts rongés ; ce proverbe se disait de ceux qui prétendaient faire ce qu' ils ne savaient pas, et aussi de tout ce qui n'était pas clair. [2.415 #2028]

Fizahan-teny