|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  ray
Sokajin-teny  2  anarana
Voambolana  3  Fifandraisana: fianakaviana
Fanazavàna teny malagasy  4  Ny lehilahy manan-janaka tokana na maro: i Rainilita no rain' Ibalita; ilazana koa ny olona tokotokony ho ray na tsy niteraka aza, toy ny vadin' ny reny niteraka (raikely), lehilahy nihahy sy nitaiza (ray mpitaiza), ny lehilahy nanangana ho zanaka (ray nanangana), ny ray tampo amin' ny ray aman-dreny (ireo dadatoa isan-kolafiny) [1.1]
5  aba [Taifasy, Taimoro, Taisaka, Bara, Sakalava, Tanosy] [1.78]
6  ada [Provincial] [1.2]
7  baba [Betsimisaraka] [1.78]
8  dada [1.1]
9  ikaky [1.7]
10  kaky [Tankarana] [1.19]
Fanazavàna teny anglisy  11  father [1.2, 1.7]
Fanazavàna teny frantsay  12  père [1.3#500, 1.54, 1.8, 1.5]
13  oncle [1.3#500, 1.5]
14  beau-père, père adoptif, père nourricier, les hommes âgés [1.3#500]
Haiendriteny 
15  Tsotra :
16  Tovonana :
Tovy hevitra  17  aba, ada, baba, dada, ikaky
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaran' olona 
Ohabolana  30  Ohabolana misy io teny ray io

Teny iditra (2/5)31  ray
Sokajin-teny  32  anarana
Sampanteny 
33  Matoantenin' ny mpanao :
34  Matoantenin' ny iharana :
35  Matoantenin' ny fameno :
36  Anarana :
37  Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  38  Kasika: Zaza tia ray
39  Fakana zavatra amin' ny tanana
40  Fampidirana olona ao an-trano [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  41  action de saisir avec la main [1.3#500, 1.5]
42  action de prendre, d'accueillir, de donner l'hospitalité, de recevoir, d'admettre [1.3#500]
Tovy hevitra  43  rairay

Teny iditra (3/5)44  ray
Sokajin-teny  45  tenim-piontanana
Fanazavàna teny malagasy  46  Tenim-piontanana fanao eo alohan' ny olona itenenana raha maro: Henoy izao teny izao, ray vahoaka [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  47  pour ry : Ray olona! (Ô peuple!) [1.3]
Tsanganana sy sary iray takila  48  Ny tenim-piontanana rehetra

Teny iditra (4/5)49  ray
Sokajin-teny  50  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  51  Fanononana haingana ny Iray [1.1]

Teny iditra (5/5)52  ray
Sokajin-teny  53  anarana
Fanazavàna teny anglisy  54  tanamasoandro: the rays of the sun; the spokes of a wheel [1.7]

Fivaditsoratra  55  ary, arỳ, àry, ray

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/12