Fizahan-teny

Ohabolana : goaika

Ohabolana 1Aza manga ivelany toa goaika. [2.558 #679]
Aza manga ivelany toy ny goaika. [2.415 #4984, 2.653 #575]
Dikanteny frantsayNe soyez pas beau et bleu à l' extérieur comme le corbeau. [2.415 #4984]
Fanazavana frantsayNe soyez pas hypocrite. [2.415 #4984]

Ohabolana 2Be ny goaika fa tsy fantatra izay lahy sy vavy, fa izay homana ny voanjo no tonafana mafy. [2.558 #879]
Be ny goaika, fa tsy fantatra izay lahy sy vavy, fa samy fotsy tenda avokoa izy rehetra ; nefa izay homana ny voanjo ihany no hotonafako mafy. [2.653]

Ohabolana 3Fotoan-goaika ka any an-tanim-boanjo mifankahita. [1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza olona mananjava-tiana iray. [1.1]
Samy tsy maintsy ho hita any amin' izay misy an' io zavatra io izy ireo. [1.1]

Ohabolana 4Goaika maneno alina, tsy alaiko ho loza fa ny azy efa fanaony. [2.558 #1228]

Ohabolana 5Goaika mpihinam-boanjo manta. [2.415 #4290]
Dikanteny frantsayC' est un corbeau mangeur d' arachides crues. [2.415 #4290]
Fanazavana frantsaySe disait des voleurs. [2.415 #4290]

Ohabolana 6Goaika ve hanadino voanjo? [2.558 #1229]

Ohabolana 7Katsaka lavi-tanàna : raha antitra lanin' ny goaika. [2.558 #1606, 2.653 #1235, 2.415]
Dikanteny frantsayMaïs qui sont loin du village : quand ils sont mûrs, les corbeaux les pillent. [2.415 #4293]
Fanazavana frantsayCe qui est loin du maître, est bien exposé aux déprédations. [2.415 #4293]

Ohabolana 8Manaova toy ny miaramila: mifoha alohan' ny goaika, mahatsiaro alohan’ ny fitatra. [2.165 #675, 2.415 #432, 2.558 #2022, 2.653 #1561]
Dikanteny frantsayFaites comme les soldats: ils se lèvent avant les corbeaux et se réveillent avant les passereaux. [2.165]
Faites comme les soldats : ils se lèvent avant les corbeaux, ils se réveillent avant le tarier à collier. [2.415 #432]
Fanazavana frantsayIl faut se lever de bonne heure quand on a du travail à faire. [2.415 #432]

Ohabolana 9Mandrara homana ohatra ny goaika. [1.1]
Fanazavana malagasyNy feon' ny goaika dia tsy miato na efa mihinina ny voanjon' olona aza ka mova tsy ny mpiandry miseho ho mikarakara iny izy, kanjo izy no tena mihinana ny zavatra andrasany. [1.1]

Ohabolana 10Maro ny vorona fa ny goaika ihany no nihinana ny voanjo. [1.1]
Na maro aza ny vorona, dia ny goaika no nihinana ny voanjo. [2.415]
Na maro aza ny vorona, ny goaika no nihinana ny voanjo. [2.165 #1072, 2.558 #2730, 2.653 #2010]
Fanazavana malagasyRehefa misy toetra ratsy ahafantaran' ny olona anao, raha tahiny misy asa mifandray amin' io, dia ianao ihany no ho voatomboka nanao na dia tsy nanao aza. [1.1]
Dikanteny frantsayIl y a beaucoup d' oiseaux, mais ce sont les corbeaux qui sont accusés d' avoir mangé les arachides. [2.415]
Quoique les oiseaux fussent nombreux, ce sont les corbeaux seuls qui ont mangé les arachides. [2.165]
Fanazavana frantsayOn accuse les gens qui ont déjà mauvaise réputation. [2.415 #4249]

Ohabolana 11Ny goaika no fotsy tenda dia mpingoso reny tsy toha. [2.558 #196]
Ny goaika no fotsy tenda: mpingoso reny tsy toha. [2.653 #2243]

Ohabolana 12Te-hoderain’ ny goaika, ka mamboly voanjo ririnina. [2.653 #3063, 2.165]
Dikanteny frantsayRechercher la louange des corbeaux et planter des arachides en hiver. [2.165]
Fanazavana frantsayC. à. d. c' est de la folie de planter des arachides à cette saison; s'emploie en parlant d' une chose faite hors de saison et' qui ne pourra avoir aucun résultat. Les corbeaux mangent les arachides fraîches. [2.165]

Ohabolana 13Valabalaka hoatry ny andevolahy homan-goaika. [2.415 #602]
Valabalaka, ohatra ny andevolahy homan-goaika. [2.653]
Valabalaka sahala amin' ny ankizilahy homan-goaika. [2.558]
Dikanteny frantsayLas comme un esclave qui mange du corbeau. [2.415 #602]
Fanazavana frantsaySe disait d' une grande fatigue. [2.415 #602]

Fizahan-teny