Teny iditra | mandia (dia) | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Famaritana malagasy | Manitsaka, mandeha amin' ny...: Tsy hahazo mandia ny faritanin' Antananarivo io olona io mandritra ny dimy taona ¶ Mamakivaky: Mandia taon-tsarotra izao tontolo izao fa saika misy korontana hatraiza hatraiza ¶ Mandrefy amin' ny tongotra: Mandia ny lavan' ny trano Rabe ¶ Mihatra: Mandia ny voalazako omaly fa indro tokoa àry famisy rivo-doza, hono, mananontanona ny morontsiraka atsinanana ¶ Mivaly: Mandia ny fikelezanao aina fa afaka soa aman-tsara ianao ¶ Mifanojo: Mandia ny hevitro lahy ny hevitrao! ¶ Tanteraka, mifanaraka amin' ny...: Salama daholo ny mponina ao Mangarivotra, mandia tokoa lahy ny anaran' io tanàna io ¶ Teny misy ifandraisany amin' ny Mandia: manitsaka, mandeha, mizotra, mivikiviky, mijaingijaingy, mijongijongy, mamikavika dia, mamilafila, mamindrafindra, manevika, mananika, miakatra, miorika, midina, mivalana, manao hitsin-dalana, manao toratady, manao dian' omby jamba, manara-drenirano, miraparapa, miparapaingo, miva rina an-kady, mifatratra an-kady, mianjera an-tevana, manao rebik' ondry, manao raban-tsahona, manao fitandririnina, mijaikojaiko, mitsaitsaika, mirodorodo, migodongodona, manao findrari-tsokina, manao dia mianotra, mihemotra, miantsorona, miantsoro-mianotra, mihazo, momba, mandalo, manapaka, manitsy, mamakivaky, manavatsava, mikatsakatsaka, manivaka, mivily, misondrovaka, mody mandry, mitampody, manao tampody fohy, manao lavalina, mandry an-dalana, manorin-day, manorindasy, miantsona, miondrana, mita, miampita, midika, mitody [Rajemisa 1985] | ||||||||||||||||
Fandikana anglisy | to tread, to step; to measure with the foot, to fall in with one's plans, to coincide with, to follow, to hit on the same idea, to correspond [Richardson 1885] | ||||||||||||||||
to tread on; to go on a way [Hallanger 1973] | |||||||||||||||||
Fandikana frantsay | Mesurer par pieds ¶ Entrer dans, parcourir ¶ fig. Etre payé de retour, se réaliser, s'accomplir, correspondre, coïncider: Vokatra ny varinareo ka mandia tokoa ny fikelezanareo aina (Vous avez une belle récolte de riz et votre travail est payé de retour) ~ Mandia ny voalazako omaly fa tonga hianao (Ce que j'ai dit hier se réalise car vous arrivez) ~ Mandia tokoa ny anarany (Le sens de son nom s'est réalisé tout-à-fait) ~ Mandia ny hevitro ny anao (Votre idée coïncide avec la mienne) [Abinal 1888] | ||||||||||||||||
parcourir, marcher sur [Hallanger 1974] | |||||||||||||||||
Endriteny |
| ||||||||||||||||
Kamban-teny, lohateny, anarana |
| ||||||||||||||||
Ohatra | Tsy maintsy mandia ny tanin-drazako ialahy leiroa. [Rakotonandrasana: Tantsaha, takila 177] | ||||||||||||||||
Teny iditra | mandia | ||||||||||||||||
Sokajin-teny | matoantenin' ny mpanao | ||||||||||||||||
Famaritana malagasy | [Bara] manitsaka, manjo [Rakotosaona 1975] | ||||||||||||||||
Nohavaozina tamin' ny 2020/07/31 |
![]() |