|
|
|
|

Teny iditra1  sokajin-teny
Singan-teny  2 sokajy, 3 teny
Sokajin-teny  4  kambanteny
Fanazavàna teny malagasy  5 Teny ilazana ny karazan-teny fampiasa hanaovana fehezanteny.
6 Misy 11 ny sokajin-teny amin' ny teny malagasy:
  1. ny matoanteny (ohatra: miteny),
  2. ny tambinteny (ohatra: afovoany),
  3. ny anarana (ohatra: ankizy),
  4. ny mpamaritra (ohatra: fotsy),
  5. ny mpisolo (ohatra: izy),
  6. ny mpanoritra (ohatra: ilay),
  7. ny mpampiankin-teny (ohatra: amy),
  8. ny mpampitohy fehezan-teny (ohatra: rehefa),
  9. ny mpampitohy (ohatra: ary),
  10. ny tenim-piontanana (ohatra: indrisy),
  11. ny kian-teny (ohatra: ve).
Maro amin' ireo sokajin-teny ireo indray no mitsinjara ho karazany vitsivitsy [1.1]
7 fandaharana ny teny ho iray karazana [1.13]
Fanazavàna teny frantsay  8 classe distributionnelle [1.13]
Voambolana  9  Haiteny
Tsanganana sy sary iray takila  10  Ny tambinteny rehetra
11  Ny mpisolo rehetra
12  Ny mpampiankin-teny rehetra
13  Ny mpampitohy rehetra
14  Ny mpanoritra rehetra
15  Ny tenim-piontanana rehetra
16  Ny kianteny rehetra

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08