|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mitsipika

Ohabolana 1Aza adala lava ohatra ny valalanamboa : mandrak' antitra ka mitsipika ihany. [2.558 #362]
Aza adala lava toa valalan' amboa : mandrak' antitra mitsambikimbikina ihany. [2.415 #2062, 2.653]
Dikanteny frantsayNe soyez pas toujours sot, comme les sauterelles de chiens qui ne font que sautiller jusqu' à la vieillesse. [2.415 #2062]
Fanazavana frantsaySe disait des lourdauds. [2.415 #2062]

Ohabolana 2Aza manao fisoro-totozy : voa vao mihilana. [2.415 #6214]
Aza manao fisoro-totozy : voa vao mitsipika. [2.165 #1138, 2.653 #442, 2.415]
Dikanteny frantsayNe faites pas comme la souris qui veut s' esquiver, et qui est prise avant d' avoir sauté. [2.415 #6214]
Ne vous garez pas comme une souris: elle est frappée avant de se sauver. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait du manque de prévoyance. [2.415 #6214]

Ohabolana 3Lava hadalana hoatry ny valalan' amboa : kely mitsipika, lehibe mandady. [2.415 #2082]
Lava hadalana ohatra ny valalan' amboa: kely mitsipaka, lehibe mandady. [1.1]
Lava hadalana, ohatra ny valalan’ amboa: kely mitsipika, lehibe mandady. [2.653]
Lava hadalana tahaka ny valalan' amboa : kely mitsipika, lehibe mandady. [2.558 #120]
Fanazavana malagasyNy adala iray trano na ny samy adala tsy misy mpananatra. [1.1]
Dikanteny frantsayD' une éternelle sottise comme les sauterelles qu' on appelle sauterelles de chiens : petites elles sautillent, devenues grandes elles rampent. [2.415]
Fanazavana frantsaySe disait des gens lourdauds et peu débrouillards. [2.415 #2082]

Ohabolana 4Mihalohalo toa voanjo am-bavan' antitra : tsy midina ho tohan' aina, tsy mitsipika ho an' ny akoho. [2.558]

Ohabolana 5Mihorakoraka foana ny sahona, fa ny tsiboboka ihany tompon' ny rano ; fa raha ritra ny rano, mitsipika ny sahona, fa ny tsiboboka dia amin' ny rano ritra. [2.415 #4050]
Dikanteny frantsayLes grenouilles coassent, mais les têtards sont les maîtres de l' eau ; quand il n' y a plus d' eau, les grenouilles sautent et les têtards restent dans l' eau desséchée. [2.415 #4050]
Fanazavana frantsayCe proverbe se disait des hôtes et des visiteurs : c' est bien tant qu' il y a des vivres, mais quand il n' y en a plus, les visiteurs partent et ce sont les hôtes qui restent sans vivres. [2.415 #4050]

Ohabolana 6Nify sy molotra : izay mihenjana ihany no mitsipika aloha. [2.415 #5666, 2.653, 1.1]
Nify sy molotra, ka izay mihenjana no mitsipika mialoha. [2.558 #2786]
Fanazavana malagasyMitovitovy amin' ny hoe: lohalika sy laferana, izay miantraitraika no vasoka. [1.1]
Dikanteny frantsayLes hommes sont comme les dents et les lèvres : celles qui se tendent le plus sautent les premières. [2.415 #5666]
Fanazavana frantsayIl faut être accommodant. [2.415 #5666]

Ohabolana 7Sahala amin' ny sahona : mipetraka toa lahiantitra ; mitsambikina toa tovolahy. [2.415 #1701, 2.165]
Sahala amin' ny sahona : mipetraka toa lahiantitra, mitsipika toa tovolahy. [2.558]
Dikanteny frantsaySemblable à une grenouille: assis, il ressemble à un vieillard; sautant, on dirait un jeune homme. [2.165]
Semblable à une grenouille : assis on dirait un vieux, et quand il saute il est comme un jeune homme. [2.415 #1701]

Ohabolana 8Tahaka ny valalanamboa : kely mitsipika, lehibe indrindra indrindra. [2.558 #3985]
Toy ny valalanamboa : kely mitsipika, lehibe mitsipika. [2.558 #4350]
Valalanamboa : fony kely mitsipika, nony lehibe tsy afa-manidina. [2.558 #4840]
Valalanamboa, ka lehibe mitsipika, kely mitsipika. [2.165 #1384]
Valalanamboa: kely, mandady ; antitra, mitsipika. [2.653 #3601]
Valalanamboa: tanora mitsipika, antitra mitsipika. [2.165]
Dikanteny frantsayLes "sauterelles de chien" : jeunes, elles ne savent que sauter; vieilles, elles ne savent que sauter (et non voler). [2.165]
Les "sauterelles des chiens" : grandes ou petites, elles ne savent que sauter (et non voler). [2.165 #1384]
Fanazavana frantsayLes "sauterelles de chien" sont des acridiens à très belles couleurs, mais elles sentent mauvais et ne peuvent que se traîner sur le sol. [2.165]

Ohabolana 9Tsaramaso mitsipika an-joro, ka tsy very fa niova toerana. [2.558 #285]
Voanemba mitsipika an-joro : tsy very fa nitady toerana. [2.415 #2264]
Voanemba nitsipika an-joro : tsy very fa niova toerana. [2.558 #4988]
Voanemba nitsipika an-joro: tsy very, fa nitady toerana. [2.653 #3703]
Dikanteny frantsayGraine de cassia tombée dans le coin réservé aux animaux : elle n' est pas perdue, elle est allée chercher sa place. [2.415 #2264]
Fanazavana frantsayElle a trouvé une bonne place, bien grasse, dans le fumier. [2.415 #2264]

Fizahan-teny