Fizahan-teny

Ohabolana : resy

Ohabolana 1Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobena, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy: ny mahery tsy hobina, ny resy tsy akoraina. [1.1 #437]
Adin' ombalahin' ny mpianakavy, ny resy tsy akoraina, ny mahery tsy hobena. [1.1 #780]
Adin' ombilahin’ ny mpianakavy : ny mahery tsy hobena, ny resy, tsy akoraina. [2.653 #17]
Fanazavana malagasyRaha misy olona roa na antokon' olona roa tonta samy tiana mifaninana, izay mandresy aminy tsy tokony hoderaina mihoapampana, ary toraka izany koa, izay resy aminy tsy tokony hoesoina izaitsizy. [1.1 #437]
Raha mpihavana no miady eny amin' ny fitsarana, noho ny fitsimbinana ny fihavanana, dia tsy akoraina izay resy ary tsy hobena izay maharesy. [1.1 #780]

Ohabolana 2Aleo maty reniomby mahia, toy izay resy tohika. [2.558 #129]
Aleo maty reniomby toy izay ho resy tohika. [1.1]
Aleo maty reniomby, toy izay resy tohika. [2.415 #6338, 2.653 #101]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny olona be didoha tafaohatra ka aleony iharam-patiantoka bevava toy izay ho resy lahatra. [1.1]
Dikanteny frantsayIl vaut mieux perdre une vache que de céder quand on s' est entêté. [2.165]
L' obstiné est semblable à celui qui aime mieux perdre sa vache plutôt que céder. [2.415 #6338]

Ohabolana 3Angady mondro sy reniakoho: izay mananda no resy. [2.558, 1.1]
Angady mondro sy reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.415 #4362]
Toy ny angady mondro sy ny reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.165 #1197]
Toy ny angady mondro sy reniakoho : izay mananda no resy. [2.653 #3181]
Toy ny angadimondro sy reniakoho, ka izay mananda no resy. [2.558 #4260]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra roa mitovitovy vidy; ka raha ampifanakalizana dia resy izay manampy zavatra hafa. [1.1]
Izany hoe zavatra roa mitovy vidy izy roa ireo ka raha misy olona roa mifanakalo azy ireo, izay mbola manome sandany, na fanampiny, an' ilay iray hafa dia azo heverina ho resy, namaty antoka. [1.1]
Zavatra roa mitovy ka tsy tokony hisy hihevi-tena ho voa na mahavoa izay mahazo ny anankiray aminy. [1.1]
Dikanteny frantsayComme une bêche usée et une poule (qu' on échange), celui qui donne quelque chose en plus y perd. [2.165]
Quand une vieille poule est échangée avec une bêche usée, c' est celui qui ajoute un supplément qui perd à l' échange. [2.415 #4362]
Fanazavana frantsayCe proverbe signifiait : de même valeur. [2.415 #4362]
Parce que les deux choses sont considérées comme ayant exactement la même valeur. [2.165]

Ohabolana 4Aza atao fiantontana raha resy ny havana. [2.558]
Aza atao filana raha tsy mahita, na fiantontana raha resy ny havanao. [2.415 #806, 2.165]
Aza atao filana raha tsy mahita ny havana. [2.558]
Dikanteny frantsayN' allez pas demander à vos parents quand vous n' avez rien trouvé ailleurs, et n' ayez pas recours à eux quand vous êtes battu. [2.165]
N' attendez pas de n' avoir rien trouvé ailleurs pour demander à vos parents, n' attendez pas d' être vaincu pour recourir à eux. [2.415 #806]

Ohabolana 5Aza atao resy momba mahery. [2.558 #34]
Aza atao resy momba ny mahery. [2.165 #351, 2.415 #619]
Dikanteny frantsayNe dites pas : c' est un vaincu qui suit son vainqueur. [2.415 #619]
Que les forts auxquels je me suis attaché ne me laissent pas être battu. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des mauvais traitements infligés par les chefs. [2.415 #619]

Ohabolana 6Aza mihomehy resy. [2.415 #2698]
Dikanteny frantsayNe vous moquez pas de celui qui subit une défaite. [2.415 #2698]
Fanazavana frantsayCar votre tour pourra venir. [2.415 #2698]

Ohabolana 7Efa resy, ka mbola minaonaona ihany : izay hitany dia ilazany avokoa. [2.415 #3337]
Dikanteny frantsayIl a perdu son procès et cependant il ne fait que clabauder et en entretenir tous ceux qu' il rencontre. [2.415 #3337]
Fanazavana frantsayBattu et pas content. [2.415 #3337]

Ohabolana 8Izay tia, resy ; izay manina, adala. [2.415]
Ny tia, resy ; ny manim-boafady. [2.558 #3298, 2.415, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny fandeferana lehibe ananan' ny efa tia, ka tsy sahy mamalivaly na manohitra firy. [1.1]
Dikanteny frantsayAimer, c' est être vaincu ; regretter, c' est être fou ou déshonoré. [2.415 #5094]

Ohabolana 9Mizara hana amin' olo-maditra: ka aleo resy kely toy izay maintimainty. [2.165]
Mizara hena amin' ny olo-maditra, ka aleo resiny kely toy izay maintimainty. [2.558 #2532]
Mizara hena amin' olo-maditra : ka aleo resy toy izay maintimainty. [2.415 #6366]
Dikanteny frantsayPartage de viande avec les têtus : mieux vaut une petite part propre, qu' une grande part sale. [2.415 #6366]
Partager de la viande avec des gens têtus; il vaut mieux en avoir un peu moins que sa part, plutôt que de l' avoir toute sale. [2.165]
Fanazavana frantsayDans la dispute la viande est salie. [2.415 #6366]
Parce que s' il y a dispute, la viande tombera dans la poussière. [2.165]

Ohabolana 10Ny mahery, torotoro ; ny resy, montsamontsana. [2.415 #3360]
Dikanteny frantsayLe vainqueur est écrasé ; le vaincu est brisé. [2.415 #3360]
Fanazavana frantsaySe disait des procès où celui qui gagne a dû faire beaucoup de dépenses pour réussir, et celui qui perd, outre les dépenses qu' il a dû faire, perd le bien en litige. [2.415 #3360]

Ohabolana 11Ny manantena no tsy resy am-bolony. [2.558 #3105]

Ohabolana 12Ny maty no resy, fa ny velona manao tondra-dro. [2.165 #2119, 2.415 #1680, 2.653, 2.558]
Dikanteny frantsayLes morts sont (comme) des vaincus, mais les vivants font de grands festins. Il faut jouir de la vie. [2.165 #2119]
Les morts sont des vaincus, mais les vivants mangent du riz inondé de jus. [2.415 #1680]
Fanazavana frantsayIl faut profiter de la vie. [2.415 #1680]

Ohabolana 13Ombilahy miady amin-dreniomby : mandresy tsy mahazo akora, raha resy afa-baraka. [2.558 #3412]

Ohabolana 14Resy andriana narahina. [2.415 #822]
Resy andriana ombana. [2.415 #822]
Dikanteny frantsayCelui qui a perdu son soutien est comme l' homme dont le souverain est vaincu. [2.415 #822]

Ohabolana 15Resy tondro maso. [2.415 #824]
Dikanteny frantsayIl a perdu le soutien vers lequel il levait les yeux. [2.415 #824]
Fanazavana frantsaySe disait de la perte d'un protecteur. [2.415 #824]

Ohabolana 16Sakalava miankandrefana : tsy resy fa manina ny tany nahabe. [2.558 #3797]

Ohabolana 17Tsy atakalo, tsy amidy resy, toa zana-drazana. [2.558 #4480]
Tsy atakalo, tsy amidy resy, toy ny andevon-drazana. [2.165 #1556, 2.415 #594, 2.653 #3338]
Dikanteny frantsayC'est comme les esclaves de la famille : on ne les change pas, on ne les vend pas. [2.415 #594]
Qu' on ne veut ni échanger ni vendre à perte, comme un esclave hérité. [2.165]
Fanazavana frantsayIl faut garder précieusement ce que les ancêtres ont laissé, et aussi amasser en vue de l' avenir. [2.415 #594]
Un esclave né et élevé dans la famille était beaucoup plus apprécié qu' un esclave acheté. [2.165]

Ohabolana 18Tsy miady, sahala ; ka hiady, hisy resy. [2.165 #323, 2.415 #3377]
Tsy miady sahala, ka no hiady hisy resy. [2.558 #4691]
Dikanteny frantsaySi nous ne luttons pas, nous sommes égaux ; mais si nous luttons, il y aura vainqueur et vaincu. [2.415 #3377]
Tant que nous ne luttons pas (ou n' avons pas de procès), nous sommes égaux; mais si nous luttons, l' un sera battu. [2.165]

Fizahan-teny