Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
Ohabolana : sima | |||||||||||||||||||||
Ohabolana 1 | Aza mety hambosian' Ikotofankaota : fa vorombe sima sady fahatelobe tsy mampanana. [2.558 #718]
Aza mety hambosin' Ikotofankaota : vorombe simba fahatelobe tsy mampanana. [2.415 #1182, 2.653 #597] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Ne vous laissez pas monter la tête par Ikotofankaota : un méchant homme met le trouble dans les ménages bien unis, comme une oie méchante met le trouble. [2.415 #1182] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Ces paroles étaient dites aux époux pour les mettre en garde contre les mauvaises langues. [2.415 #1182] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 2 | Faly sembanin' alahelo toy ny tera-dahy sima. [2.558 #1065] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 3 | |||||||||||||||||||||
Fanazavana malagasy | Enti-milaza ireo olona masiaka sy tia tena, nefa mpanenitra ny hafa. [1.1] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Oie au bec échancré, toute balafrée, regarde-toi toi-même avant de te moquer des autres. [2.415 #4867]
Taisez-vous, oie à bec fendu : regardez-vous vous-même avant de vous moquer des autres. [2.974 #445] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Paroles de mépris qui ne se disaient qu' aux enfants. [2.415 #4867] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 4 | Manitatra ohatra ny sima misioka. [2.558] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Augmenter son mal (litt. son travail) comme un bec-de-lièvre qui siffle. [2.165 #2083]
Augmenter son mal ou son travail, comme un bec-de-lièvre qui siffle. [2.415 #2620] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 5 | Maro no sima, fa izay vaky orona no ratsy. [2.165 #1295] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Beaucoup ont un bec-de-lièvre, mais ce sont ceux qui ont le nez rongé, (litt. cassé ou fendu) qui sont (vraiment) laids. Les gens affligés de la syphilis à la période tertiaire ont souvent le nez complètement défiguré. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 6 | Miaramila be molotra : tsy mitady tarehy, fa tavy no ilaina. [2.415 #438]
Miaramila sima : tsy mila tarehy tsy be angesongeso, fa tavy ihany kosa no tadiavina. [2.415 #438] Miaramila sima : tsy mitady tarehy, fa tavy no ilaina. [2.558 #2267, 2.653 #1731] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Soldats à grosses lèvres et soldats à bec-de-lièvre : ils ne cherchent pas la beauté ni les apprêts mais ils soignent la graisse de leurs joues. [2.415 #438] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Se disait des gens grossiers et mangeant bien. [2.415 #438] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 7 | Ny sima | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 8 | Raha ny molotra no tenenina, dia hangina aho, hoy ilay sima. [2.558 #3638]
Raha ny molotra no tenenina, dia sina aho, hoy ilay sima. [2.653 #2704] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 9 | Sima misarom-bava : tsy ody hatsiaka akory fa fombany ihany. [2.558 #3887] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 10 | Sima nozairina : Sima nozairina : tonga tany ihany, fa miketrona. [2.415 #1708, 2.653] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Bec-de-lièvre qu' on a cousu : tout se rejoint mais il y a des plis. [2.415 #1708] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Il reste des traces des difficultés, ou des événements, ou des paroles, même après arrangement ou réconciliation. [2.415 #1708] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 11 | Sima sy rombina : ka aza mifanaratsy. [2.558 #3889]
Sima sy rombina : ka aza mifanebaka. [2.558 #3889] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 12 | Very sasaka, very fahatelo, ohatra ny ro sotroin' ny sima. [2.653, 2.558] | ||||||||||||||||||||
Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||