|
|
|
|

Teny iditra mitondra (tondra)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
 Mamindra toerana zavatra entina miaraka amin' ny tena ka ny tanana no anaovana izany, na atao eo ambony loba, na eo an-tsoroka: Iza no hitondra ity entana ity ianareo roa lahy?
Mitarika: Omby mitondra sarety ~ Mahay mitondra fikambanana Ramatoa io
Manatitra: Ikoto no nitondra ilay taratasy tany aminy
Mampiely, mampahita, mahatonga: Tohony hotadiavina izay nitondra io aretina io teto amin' ny fokontany
Manao tsara na ratsy amin' olona: Mitondra tsara ny mpiasany izy
Mitovy hevitra: mamingivingy ~ manainga ~ manao an-tonery ~ manao an-tsampy ~ manao an-tsangory ~ manasaboady ~ manentana ~ manindao ~ manongaka ~ miantsoroka ~ mibaby ~ mibata ~ mibeta ~ mikenakena ~ milanja ~ miloloha ~ milonjehitra ~ milonjo ~ misakelika ~ misakobona ~ mitaona ~ mitatitra ~ mitraoka ~ mitrotro ~ mitsintsina ~ mivatsy ~ mivesatra ~ mivimbina ~ mivingitra ~ mivongaingika ~ mivongaingy ~ mivongika
Mitovy hevitra: miaritra ~ mihafy ~ mizaka [1.1]
 To carry; to take away [1.7]
 Porter; enlever; conduire; gouverner [1.8]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : mitondra
Ny lasa : nitondra
Ny hoavy : hitondra
Filaza mandidy : mitondrà

Teny iditra mitondrà (tondra)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mitondra [Fitanisana]
  [1.1]
  [1.3]

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/23