Teny iditra miadana (adana)
Sokajin-teny matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy Mandeha moramora, manao moramora izay atao; tsy mahavita lalan-davitra na asa betsaka na mahalaza teny betsaka amin' ny fotoana fohy: Miadana ny fandehan' ny sokatra ~ Miadam-piteny Rakoto
Tsy manam-pahasahiranana, manana ny ilaina rehetra, sambatra: Miadana ny fianakavian-dRabe fa manam-be hovangoana izy ka tsy manahy na inona na inona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy To advance slowly, not to be in a hurry; to be in comfortable circumstances, having no anxiety or care; to be at peace; not to be hasty in forming judgements. [1.2]
 To go slow; to be at peace; to have plenty [1.7]
Fanazavàna teny frantsay Etre en paix, jouir de l'abondance, être prospère, aller posément, agir avec lenteur [1.3]
 Aller lentement; jouir de la paix; être dans l'aisance [1.8]
Ohatra 
1Indreny lahinjiro roa no manatona miadana dia miadana ny familiana amikiranay sy Patrice. [2.471]
2Nikendry miaramila sy miadana tsara izy. [2.472]
3Tsara ny fitafiany, toa miadana ihany ny reniny. [2.499]
Haiendriteny 
Ny ankehitriny : miadana, miada-, miadam-, miadan-
Ny lasa : niadana, niada-, niadam-, niadan-
Ny hoavy : hiadana, hiada-, hiadam-, hiadan-
Filaza mandidy : miana
Kamban-teny 
Anaran-toerana 
Mpanahaka (fandeha) votsa dia ~ mibanaika ~ midanesaka ~ midaresaka ~ mitanesaka ~ mikisaka ~ midraiko ~ milaiko ~ milaikolâiko ~ mitsikozakoza ~ mitsilaikolaiko ~ mitsimedameda ~ mitsiredareda ~ mitsiretareta ~ mitsitaika ~ midreho ~ mijeho ~ mikonesa ~ midanoka ~ mikidanodanoka ~ milakolako ~ milaikalaika ~ midehadeha ~ miledaleda ~ miretareta ~ miresaresa ~ mirisarisa ~ mirezareza ~ mirerarera ~ mitaredretra ~ manisa dia ~ manisa vitsika ~ mampandady foza ~ mamindra malako
 (fanaovan-javatra sy fihetsika) votsa ~ tsy maika ~ tsy rototra ~ somararetra ~ milasilasy ~ ela tanana mivotsavotsa ~ mitsivozavoza ~ mitavozavoza ~ mitsikozakoza ~ mihamoka ~ mihoninkonina ~ mitsirendrena ~ mimasimasy ~ mitaredretra ~ mitoredretra ~ milanona ~ milalotra ~ milalo ~ milamina ~ miladina ~ misamosy ~ maka mora ~ tsy maka sarotra ~ tsy miraika ~ mikirindreva ~ malai-mihetsika ~ mikisina ~ mibonaika ~ mibonenika
 (fiteny) votsa vava ~ mianoka ~ midanoka ~ midarona ~ tsy rototra
 (miadana) sambatra ~ finaritra ~ tsy sahirana ~ tretrika ~ metroka ~ henika ~ afa-draorao ~ afa-kopakopaka ~ tsy miondan-tanana ~ tsy mandray ravin-deno ~ manan-jara ~ tsy mandray ravin' avaratra ~ manana ny ampy ~ manana amby ampy ~ miraondraona ~ miaina an-kalalahana ~ mianoka ~ migalabina ~ milamina
Ohabolana 

Teny iditra miana (adana)
Sokajin-teny filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao miadana [fitanisana]

Fivaditsoratra 

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/26