Teny iditra (1/3) | 1 velona |
Sokajin-teny | 2 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.1] Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko ~ Mbola velona any ihany va re izay Rabe e! Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa velona ve ilay fiarakodianao? Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy ~ Velona ny amponga ~ Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy Mirehitra (amin' ny hevitra ara-bakiteny sy an' ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro vary ianao ~ Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany ~ Mbola velona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana" Manomboka: Naka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany |
Fanazavàna teny anglisy |
4 [1.7] living, alive |
Fanazavàna teny frantsay |
5 [1.8] vivant 6 [1.196] tout ce qui est vivant, aussi bien les plantes que les animaux et les humains |
Ohatra |
7 fa raha velona ny aina tsy maintsy mihaona [2.131] 8 Mbola velona ihany hianao Razay! [2.324] 9 Filazana toetr'olom-belona hiany izany. [2.59#77] 10 Raha velona moa aho, iza no mba hovantaniko? [2.471] 11 tsy anisan' ny velona intsony ny zokiko. [2.472] |
Haiendriteny |
|
Sampanteny |
|
Kamban-teny |
|
Anaram-biby |
|
Anaram-javamaniry |
|
Anaran' olona |
|
Anaran-toerana |
|
Lohateny |
Ohabolana | 117 Ohabolana misy io teny velona io |
Teny iditra (2/3) | 118 velona |
Sokajin-teny | 119 tenim-piontanana [Fitanisana] |
Fanazavàna teny malagasy |
120 [1.1] Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! |
Teny iditra (3/3) | 121 velona |
Sokajin-teny | 122 mpamaritra |
Fanazavàna teny malagasy |
123 [1.78] [Bezanozano]
be voninahitra |
Fivaditsoratra | 124 alevon, levona, nalevo, velona, volena |
Nohavaozina tamin' ny 2025/02/01 |
![]() |