|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  lalao
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  [1.1] Fialam-boly na fialan-tsasatra, ka ny sasany fandaniana andro fotsiny, ny sasany fampitomboanaherim-batana na herin-tsaina: Be lalao loatra ny zanakao no tsy androsoany amin' ny fianarana
Lanonana misy zavatra mahafinaritra: Nisy lalao mahavariana tao antranom-pokonolona omaly
Vazivazy: Misy manao lalao ratsy izany.
Fanazavàna teny anglisy  4  [1.7] play, recreation, amusement
Fanazavàna teny frantsay  5  [1.8] jeu, amusement
Ohatra  6  lalao tsy mahomby loatra ity. [1.437#]
7  nefa inona no lalao hataontsika? [2.69#]
Sampanteny 
8  Matoantenin' ny mpanao :
9  Matoantenin' ny iharana :
10  Matoantenin' ny fameno :
11  Anarana :
12  Mpamaritra :
Mpanahaka  13  kilalao, afakafaka, fampanononana ankamantatra, anjaingy, antsamotady, antsavily, antsefa, asampinga, baolina, daka, diamanga, fampitaha, fanalafihana, fandroribola, fanenjika, fangalampiery, fanorona, hazakazaka, kanety, katra, katro, kifanimpanina, kiombiomby, kindriandriana, kivarivary, kizanajanaka, moraingy, piarapiara, raboka, ralanitra, sabaka, raosijamba, an-kitsapaka, renin-jaza, sadoka, saribakoly, savoandanitra, tandrimo, tanisa, tapika, tamaboha, tongodovia, tongokazo, tolona, totohondry, tsipilavaka, tsongolobatita, tsontsorimamba, valala manjohy, vatokely miara-mahita
Kamban-teny 
Anaran' olona 
Ohabolana  16  Ohabolana misy io teny lalao io
Lahatsoratra  17  Randzavola: lalao ao amin' ny Baiboly (=> filalaovana)

Teny iditra (2/2)18  lalao
Fototeny  19  lala
Sokajin-teny  20  filaza mandidin' ny matoantenin' ny iharana lalaina [Fitanisana]
Ohatra  21  lalao ny ray aman-dreninareo, rankizy [1.1]

Fivaditsoratra  22  alalo, lalao

Nohavaozina tamin' ny 2025/01/21