|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  mitondra (tondra)
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  Mamindra toerana zavatra entina miaraka amin' ny tena ka ny tanana no anaovana izany, na atao eo ambony loba, na eo an-tsoroka: Iza no hitondra ity entana ity ianareo roa lahy? 4  Mitarika: Omby mitondra sarety ~ Mahay mitondra fikambanana Ramatoa io 5  Manatitra: Ikoto no nitondra ilay taratasy tany aminy 6  Mampiely, mampahita, mahatonga: Tohony hotadiavina izay nitondra io aretina io teto amin' ny fokontany 7  Manao tsara na ratsy amin' olona: Mitondra tsara ny mpiasany izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8  to carry; to take away [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9  porter; enlever; conduire; gouverner [1.8]
Haiendriteny 
10  Ny ankehitriny :
11  Ny lasa :
12  Ny hoavy :
13  Filaza mandidy :
Mpanahaka  14  milonjo, mivongika, mivongaingy, mivongaingika, mivesatra, milonjehitra, manindao, manongaka, mivatsy, mivingitra, mamingivingy, mibata, mibeta, miloloha, manao an-tsangory, manao an-tsampy, manao an-tonery, miantsoroka, milanja, manasaboady, mibaby, mitrotro, mivimbina, mitsintsina, misakelika, misakobona, mikenakena, mitaona, mitraoka, manainga, manentana, mitatitra15  mizaka, miaritra, mihafy
Kamban-teny 
Ohabolana  25  Ohabolana misy io teny mitondra io

Teny iditra (2/2)26  mitondrà (tondra)
Sokajin-teny  27  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao mitondra
Fanazavàna teny malagasy  28  [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  29  [1.3]
Tsanganana sy sary iray takila  30  Ny matoantenin' ny mpanao mandidy rehetra

Fivaditsoratra  31  mitandro, mitondra, mitondrà, tandrimo, mitandro, mitondra, mitondrà, tandrimo

Nohavaozina tamin' ny 2023/05/23