Fizahan-teny

Ohabolana : ahina

Ohabolana 1Dakan' ilay vendrana : ny fola-pe tsy ahina fa ny mangaro-maso no atahorana. [2.558 #970]

Ohabolana 2Havana tsy ahina. [2.415 #1076]
Dikanteny frantsayParents dont on ne s' occupe pas. [2.415 #1076]

Ohabolana 3Ikotokely miandry ondry : raha tsaratsara ny sakafo, dia sady maka kitay no miandry ondry, fa raha ratsiratsy ny sakafo, ny ondry aza ahina ho very. [2.558 #1395]
Ikotokely miandry ondry : raha tsaratsara sakafo, dia sady maka kitay no miandry ondry ; ary raha ratsiratsy sakafo, ny ondry aza no ahina ho very. [2.415 #555, 2.653 #1110]
Dikanteny frantsayIkotokely est gardien de brebis : si on lui donne un bon repas, non seulement il garde les brebis, mais il ramasse la provision de paille à brûler ; mais quand il mange mal, il ne peut même pas garder les brebis. [2.415 #555]
Fanazavana frantsaySe disait des maîtres avares et cruels qui donnaient à leurs esclaves une nourriture insuffisante ; sens général : pour bien travailler, il faut être bien traité. [2.415 #555]

Ohabolana 4Ilazana ny masaka ifotony, ka ny soamaravo no arefarefa. [2.415 #6500, 2.653]
Ilazana ny masaka ifotony ka ny soamaravo no arefarefa (tsy arovana). [2.558 #1420]
Ilazana ny masaka ifotony, ka ny soamaravo no tsy ahina. [2.415 #6500, 2.653]
Ilazanao ny masaka ifotony, ka ny soamaravo no arefarefa. [2.165 #2313]
Mahare ny masaka ifotony izy, ka ny efa soamaravo indray no arefarefa. [2.415 #3262]
Mahare ny masaka ifotony izy, ka ny efa soamaravo indray no tsy ahina. [2.415 #3262]
Dikanteny frantsayIl entend parler de fruits mûrs sur pied, et il laisse ceux qui seraient bientôt mûrs. [2.415 #3262]
On l' avertit qu' il y a des fruits mûrs sur les arbres, mais il ne fait pas attention à ceux qui sont à peu près mûrs. [2.415 #6500]
Fanazavana frantsayLaisser des affaires pour d' autres. [2.415 #3262]
Se disait de ceux qui profitent peu des avis qu' ils reçoivent. [2.415 #6500]

Ohabolana 5Ny fanompoana folo elatra ahina : ahina, dia mahavelona ; tsy ahina, dia mahafaty. [2.415 #383, 2.653 #2218]
Ny fanompoana folo elatra ahina : ahina mahavelona, tsy ahina mahafaty. [2.165 #1529, 2.558 #2966]
Dikanteny frantsayLa corvée a dix ailes à soigner : les soigner fait vivre, les négliger tue. [2.415 #383]
La corvée a dix ailes (c. à. d. elle est compliquée) dont il faut s' en occuper: s' en occuper fait vivre; ne pas s' en occuper fait mourir. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait les difficultés et les inconvénients de la corvée. [2.415 #383]
Parce que dans le second cas, on pouvait être accusé de désobéissance, voire de rébellion. [2.165]

Ohabolana 6Ny trosa toy ny rambondanitra : kely atahorana hipaoka ny lamba, lehibe ahina handrodana ny trano. [2.558]

Ohabolana 7Rafotsibe maka rindra : ny tsy hahazo ahina, ny tsy hahazaka ahina. [2.558 #3506]

Ohabolana 8Salohin-dRamatahoboina : hitao anambo atahorana hahafaty olona; hatao an-joro ahina hahavoa olona. [1.147 #S14]

Fizahan-teny