|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mahavoa

Ohabolana 1Aza manao sakaiza manody, ka ny olon-tiana no mahavoa ratsy. [2.558 #564, 2.653 #493]
Sakaiza manody, ka ny olon-tiana no mahavoa ratsy. [2.415 #5343]
Dikanteny frantsayAmi perfide, ami traître : c' est une personne chère qui frappe. [2.415 #5343]

Ohabolana 2Bala nahavoa vato ka teo ihany fa nievotra. [2.558 #843]
Bala nahavoa vato : teo ihany fa nievotra. [2.415 #3561, 2.653, 2.165]
Dikanteny frantsayBalle qui a frappé une pierre : elle était bien là mais elle a rebondi. [2.415 #3561]
Une balle qui a frappé une pierre: elle a touché, mais elle a rebondi. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des paroles qui frappent celui-là même qui les a proférées. [2.415 #3561]

Ohabolana 3Fandrik' akanga mahavoa manditra, ka ny vandana tsy izy no aseho. [2.415]
Fandrik' akanga mahavoa manditra, ka ny vandana tsy izy no voa. [2.415]
Fandrik' akanga nahavoa manditra: ny vandan-tsy izy no voa. [2.165 #957, 2.653 #920]
Fandrik’ akanga nahavoa mandotra, vandan-tsy izy. [1.147 #F10, 2.165]
Fanazavana malagasyFandrik' akanga nahavoa mandotra: samy vandana ihany fa tsy izy. [2.165]
Dikanteny frantsayLe piège à pintades qui attrapa un serpent: c' est l' animal tacheté qui n' était pas le bon qui a été pris. [2.165]
Piège à pintade qui prend un gros serpent, et on montre la fausse couleur. [2.415 #4918]
Fanazavana frantsayDire que l' on a pris un serpent et le montrer, et garder pour soi la pintade. Se disait des trompeurs qui montre le faux et cache le vrai. [2.415 #4918]

Ohabolana 4Fotsimbary misy lay : tsofina, mahavoa maso ; atelina, mahavandana ny lela. [2.415 #5793, 2.558 #1201, 2.653 #989]
Dikanteny frantsayRiz blanc où il y a des piquants : si on soufle, les yeux en sont pleins, si on les avale, la langue est tachetée de noir. [2.415 #5793]
Fanazavana frantsayQuelque parti qu' on prenne, il y a des inconvénients. [2.415 #5793]

Ohabolana 5Loka ampitika, ka izay mahavoa, mahazo. [2.415 #6186]
Dikanteny frantsayConcours de tir à la flèche : celui qui touche, gagne. [2.415 #6186]
Fanazavana frantsayLe plus habile l' emporte. [2.415 #6186]

Ohabolana 6Mahavoa fe, mahavoa hasarotana. [1.147 #M11]

Ohabolana 7Mandrora mitsilany, ka mahavoa tena. [2.653 #1598, 2.974 #219]
Dikanteny frantsayCracher en l’air, et s’atteindre soi-même. [2.974 #219]

Ohabolana 8Ny ana-dray aman-dreny toy ny tsipak' ombalahy, mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina. [2.558 #2865]
Ny ana-dray aman-dreny toy ny tsipak' ombalahy: raha mahavoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina:. [2.415, 1.1]
Ny ana-dray aman-dreny tsipak' ombalahy : mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina. [2.415 #884]
Ny anatry ny ray aman-dreny toy ny tsipak’ ombalahy : mahavoa, mahafaty ; tsy mahavoa, mahafanina. [2.974 #176]
Ny anatry ny ray toy ny tsipak' ombalahy : mahavoa mahafaty, tsy mahavoa mahafanina. [2.415 #884, 2.165]
Ny anatry ny ray toy ny tsipak’ ombilahy : mahavoa, mahafaty ; tsy mahavoa, mahafanina. [2.653 #2158]
Tsipak' ombalahy ny ana-dray aman-dreny, ka raha mahavoa mahafaty tsy mahavoa mahafanina. [2.558 #288]
Fanazavana malagasyEnti-milaza ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny tenin-dray aman-dreny. [1.1]
Tsy tokony hatao tsinontsinona na oviana na oviana ny torohevitra omen’ ny ray aman-dreny. [1.1]
Dikanteny frantsayAvertissements des parents, c' est comme les ruades des taureaux : quand ils frappent, ils tuent ; et quand ils ne touchent pas, du moins ils effraient. [2.415 #884]
Les remontrances des parents ressemblent aux ruades du taureau : atteint, vous en mourez ; si elles vous manquent, c’est du tnoins l’étourdissement. [2.974 #176]
Les réprimandes d' un père sont comme les coups de pied d' un taureau: si elles vous atteignent, elles vous tuent; si elles ne vous atteignent pas, elles vous font perdre connaissance. [2.165]
Fanazavana frantsayCe proverbe disait la force des remontrances des parents à leurs enfants. [2.415 #884]
Dans les deux cas elles ont un effet considérable. [2.165]

Ohabolana 9Ny an-tanam-botsotra, ny nahavoa rivatra. [1.147 #N16]

Ohabolana 10Ny tsiny toy ny rano an' ambo: tsy hita koa mahavoa. [1.1 #61]

Ohabolana 11Rano an-tavy mitsipika an-damba, ka mahavoa ny vatana. [2.558 #243, 2.653 #2756]

Ohabolana 12Salohin-dRamatahoboina : hitao anambo atahorana hahafaty olona; hatao an-joro ahina hahavoa olona. [1.147 #S14]

Ohabolana 13Solanga mahazo, joko mahavoa. [2.415 #6005, 2.558 #3939, 2.165, 1.1]
Fanazavana malagasyEnti-milaza zavatra na toe-javatra roa samy ahombiazana. [1.1]
Dikanteny frantsayDirigées en haut, les comes attrapent ; dirigées en bas, elles frappent. [2.415 #6005]
Les cornes dirigées en haut attrapent, celles qui sont dirigées en bas frappent. [2.165]

Ohabolana 14Tanana havanana mikapoka ny havia : mahavoa maharary, saingy ny namana ihany. [2.558]
Tanana havanana nikapoka ny havia : nahavoa maharary, fa ny namana ihany. [2.415 #1128, 2.653]
Dikanteny frantsayMain droite qui a frappé la gauche : elle a fait mal, mais c' est sa compagne. [2.415 #1128]
Fanazavana frantsaySe disait des différends entre parents. [2.415 #1128]

Ohabolana 15Tandremo ny tampoka fandrao mahavoa ny ratsy. [2.415 #6253]
Dikanteny frantsayGardez-vous de l' imprévu de peur d' y trouver malheur. [2.415 #6253]
Fanazavana frantsayLa prévoyance garantit du mal. [2.415 #6253]

Ohabolana 16Toy ny tandroky ny haolo: kirongo mahazo; baka mahavoa. [2.653, 2.165]
Toy ny tandroky ny haolo : Kirongo mahazo sady tsy azo idirana, baka mahavoa sady mahay manohana. [2.558 #4332]
Dikanteny frantsayComme les cornes des bœufs sauvages: celles qui sont rentrantes sont solides, et celles qui sont divergentes frappent bien. [2.165]
Fanazavana frantsayLes unes et les autres ont leurs avantages. [2.165]

Ohabolana 17Tombo-dambo alina : mahavoa tsara, tsy mahavoa tsara. [1.147 #T101]

Ohabolana 18Tsipak' ombalahy ny loza, ka raha mahavoa mahafaty. [2.558 #4455]
Tsipak’ ombilahy ny loza : raha mahavoa mahafaty. [2.653 #3324]

Ohabolana 19Valavala ny hataka, tambiko ny laho ; mahavoa tsara, tsy mahavoa tsara. [1.147 #V10]

Ohabolana 20Vidy ombalahin-dRazakandrianaina: tsy mividy ny mahavoa, fa ny mahay miala. [2.165]
Vidy ombin-dRazakandrianiaina : tsy mifidy ny mahavoa, fa ny mahay miala. [2.558 #4949]
Dikanteny frantsayRazakandrianaina achetant un taureau (de combat); il n' achète pas celui qui sait bien frapper, mais celui qui sait bien esquiver les coups. [2.165]

Fizahan-teny