|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : mihetsika

Ohabolana 1Aza atao taria azon' adala. [2.558 #416, 2.653 #366, 2.165]
Aza taria azon' adala, ka resahina isak' izay mihetsika. [2.558 #811]
Manao taria azon' adala. [2.415 #2086]
Manao teny azon' adala. [2.415 #2086]
Dikanteny frantsayCelui qui redit toujours la même chose, est comme l' imbécile qui ayant entendu un mot, le répète. [2.415 #2086]
Ne faites pas comme un imbécile ayant entendu une conversation (il s' en va répéter partout ce qu' il a entendu). [2.165]

Ohabolana 2Aza mody maty toa voamitohy. [2.165]
Mody maty, toa voamitohy. [2.653 #1942]
Mody maty toa voamitohy, fa rehefa mihetsika antara-biby. [2.558 #2548]
Dikanteny frantsayNe faites pas le mort comme le "voamitohy" (coléoptère qui fait le mort quand on le touche). [2.165]

Ohabolana 3Mihetsika ny razana. [2.415 #2879]
Dikanteny frantsayLes ancêtres s' agitent. [2.415 #2879]
Fanazavana frantsayTerme consacré pour dire le moment où l'on va remuer les morts du tombeau et changer les linceuls de soie rouge. [2.415 #2879]

Ohabolana 4Na very fanahy mbola velona aza, tsy hihetsika ve ny tanana! [2.558]

Ohabolana 5Ny voalavo no tsy mihetsika, ny saka no mbola mihiratra. [2.974 #276]
Ny voalavo no tsy nihetsika, ny saka no mbola mihiratra. [2.653 #2484]
Dikanteny frantsaySi le rat est immobile, c’est que le chat a encore l’œil ouvert. [2.974 #276]

Ohabolana 6Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo, raha kapaina ny vondrona mihetsika ny herana. [2.558 #3664]
Raha torahana ny kisoa, mahina ny lambo ; raha kapaina ny vondrona, mihetsiketsika ny herana. [2.653 #2718]

Ohabolana 7Sikajy be natolak’ i Mananjara, nanolaka an’ i Mananjara; fanidy koa masina, ny voay tsy mihetsika. [1.147 #S34]

Ohabolana 8Tsy misy matoky toy ny mpangala-pihinana ; fa raha mihetsika ny takotra, dia mivadi-po. [2.653 #3535]

Ohabolana 9Voan-kanina fony fahavaratra aho : raha mitsinjo rano fotsy mihetsika. [2.558 #4992, 2.653 #3707]

Ohabolana 10Vodivona no mietsaka, antsanga indray no anontaniana. [2.415 #485, 2.653 #3719]
Vodivona no mihetsika, ka antsanga no anontaniana. [2.558 #5006]
Dikanteny frantsayUn fief s' écroule : il ne faut pas demander s' il y aura beaucoup de sable répandu. [2.415 #485]
Fanazavana frantsayLa ruine d'un fief est une chose grave ; se disait des affaires qui avaient de grosses conséquences. [2.415 #485]

Fizahan-teny