|
|
|
|

Teny iditra1  hevitra
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany
4  Zavatra na tetika foronin' ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita hevitra tsara izay namorona ity milina ity
5  Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao
6  Fomba fahazoana, fahitana, fitsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io
7  Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr' Andriamanitra
8  Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao
9  Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona
10  Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin' ity toerana ity
11  Fikasana: Manankevitra ny handositra izany ianao?
12  Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity
13  Vidy, vidiny: Inty ny hevitry ny andro niasanao [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14  thought, thinking an idea [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  15  pensée, idée [1.3#242, 1.8]
16  opinion: Izao ny hevitro (Voici mon opinion)
17  sentiment: Raha momba ny fivavahana dia tsara hevitra izy (Il a de bons sentiments au sujet de la religion)
18  jugement: Tsy misy mahatakatra ny hevin' Andriamanitra (Personne ne peut comprendre les pensées, les jugements de Dieu)
19  intelligence: Be hevitra izy (Il a beaucoup d'intelligence)
20  conseil: Tokony harahinao ny hevitra nomeny anao (Vous devez suivre le conseil qu'il vous a donné)
21  sens: Izao no hevitr' io teny io (Voici le sens de ce mot)
22  signification: Lazao ny hevitr' io fanoharana io (Dites la signification de cette parabole)
23  projet: Manan-kevitra mba handositra izy (Il a formé le projet de s'enfuir)
24  expédient: Nahita hevitra aho hialako amin' ny fahasahiranana (J'ai trouvé un expédient pour sortir d'embarras)
25  ruse: Nanao hevitra, nanao an-kevitra izy mba tsy handoa hetra (Il a usé de ruse pour ne pas payer l'impôt)
26  motif: Misy heviny ny zavatra rehetra nataon' Andriamanitra na dia izay kely indrindra aza (Ce n'est pas sans motif que Dieu fait même les plus petites choses)
27  raison, bon sens: Tsy misy heviny ny teninao (Ce que vous dites est contre la raison, le bon sens) ~ Tsy misy heviny ny nataony (Ce qu'il a fait est contre le bon sens, absurde)
28  prix: Ity ny hevitry ny andro niasanao (Voici le prix de vos journées de travail)
29  récompense: Mbola ho azonao ny an-kevitry ny asanao (Vous aurez plus tard la récompense de votre travail)
30  valeur: An-kevitry ny volanao iny akanjo iny (Cet habit est la valeur de l'argent que je vous doit)
31  complément: Ity ny iraimbilanja sisa an-kevitry ny karamanao (Voici le franc qui reste en complément de votre salaire)
32  rapport: Ara-kevitry, an-kevitry ny halehiben' ny famarana ny vidin-javatra (Le prix des denrées est en rapport avec la grandeur de la mesure)
33  proportion: Ara-kevitry, an-kevitry ny asa vita ny vola azo (L'argent qu'on gagne est en proportion du travail qu'on fait) [1.3]
Ohatra  34  Aiza no ananako hevitra amin' izany! [2.4#19]
35  Ataontsika izay hevitra rehetra mety. [2.470#62]
36  Manan-kevitra lalina izy (Il a des pensées profondes) [1.3#242]
37  Rekitra ao an-tsainy izany hevitra izany (Cette idée est fixée dans son esprit) [1.3#243]
Voambolana  38  Filôzôfia
Haiendriteny 
39  Tsotra :
40  Tovonana :
Sampanteny 
41  Matoantenin' ny mpanao :
42  Matoantenin' ny iharana :
43  Matoantenin' ny fameno :
44  Anarana :
45  Mpamaritra :
Mpanahaka  46  torohevitra
Kamban-teny 
Ohabolana  78  Ohabolana misy io teny hevitra io

Nohavaozina tamin' ny 2023/03/25