|
|
|
|

Teny iditra1  loha
Sokajin-teny  2  anarana
Fanazavàna teny malagasy  3  Faritra ambony indrindra amin' ny tenan' ny olombelona -- ary aloha indrindra kosa ho an' ny biby -- izay mizara roa: ny eo anoloana misy ny maso, orona, sofina, vava, ary ny ao an-damosina rakotry ny volo, fa ny ao anatiny kosa misy ny ati-doha fototry ny fihontsonana sy ny fisaintsainana ary ny finiavana: Nianjera izy ka vaky ny lohany (raha ny ao anatin' ny loha no lazaina, dia ny teny hoe andoha no ampiasaina: Marary ny andohako; jereo Andoha
4  Saina: olona kely loha koa izay nametraka itỳ teto
5  Lehibe mpitarika: Rainivoanjo no lohany tamin' io raharaha ratsy io
6  Tendrony aloha amin' ny zavatra iray: Nifatratra tao anaty zozoro ny loha lakana
7  Karazana: Maro loha ny sakafo narosony ho anay [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8  the head; the front part [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9  la tête; la partie avant [1.8]
Ohatra  10  Elo manga miofon'andro ambony loha; [1.257#]
11  Dia hisy loha ho tapaka indray atsy ho atsy! [2.528#]
Voambolana  12  Haiaina
13  Toerana
Haiendriteny 
14  Tsotra :
15  Tovonana :
Sampanteny 
16  Matoantenin' ny mpanao :
17  Matoantenin' ny fameno :
18  Anarana :
19  Tambinteny :
20  unkLabel:8pp: :
Mpanahaka  21  filoha, lehibe, tale, mpitondra, mpitarika, mpifehy, mpanapaka, mpandidy, vovonana iadian' ny lohany, loholona, ben' ny tany, ray aman-dreny, tompomenakely, tompombodivona, mpanjaka, andriana, andriamanjaka
Kamban-teny 
Anaram-biby 
Anaram-javamaniry 
Anaran-toerana 
Manontolo 
Ampahany 
Anaran' akora mamorom-batana 
Ohabolana  82  Ohabolana misy io teny loha io
Lahatsoratra  83  Randzavola: loha ao amin' ny Baiboly

Fivaditsoratra  84  halo-, hola-, laho, loha

Nohavaozina tamin' ny 2024/10/30