Fizahan-teny

Ohabolana : antsoro

Ohabolana 1Adrisa tsy ampoky ny ahitra angaha aho no hifiaka izay antsoro maina. [2.558]
Ataonao ho valala tsy ampoka ny ahitra ve aho, ka hifiaka ny antsoro maina ? [2.653 #300, 2.415]
Ataonao ho valala tsy ampoka ny ahitra ve aho, ka hihinana ny ahi-tsorohitra ? [2.653 #300, 2.415]
Ataonao ho valala tsy ampoky ny ahitra va aho ka hifiaka ny antsoro maina? [2.165 #2284]
Dikanteny frantsayMe prenez-vous pour une sauterelle non rassasiée d' herbe, et qui va manger l' herbe des alouettes ou mâcher de l'herbe antsoro sèche ? [2.415]
Fanazavana frantsayMe prenez-vous pour un affamé ? [2.415]

Ohabolana 2Boka lavo amin-antsoro : raha misy fivoy, dia lakana. [2.415 #1948, 2.653 #775]
Boka lavo amin' antsoro : raha nisy fivoy dia lakana. [2.558 #907]
Dikanteny frantsayLépreux qui est tombé dans l'herbe qu' on appelle antsoro : il ne manque qu' une rame pour faire la pirogue. [2.415 #1948]
Fanazavana frantsayCette herbe rend les coteaux très glissants et le lépreux est rond comme la pirogue ; amère plaisanterie sur les lépreux parce que le mal a rongé leurs membres. [2.415 #1948]

Ohabolana 3Boka lavon' antsoro : any an-dohasaha vao mifanatrika. [2.415 #1953, 2.653 #779]
Dikanteny frantsayLépreux qui a glissé sur l' herbe antsoro et est tombé : ce n' est qu' au fond de la vallée qu'il pourra regarder en face l' ennemi qui l' a renversé. [2.415 #1953]
Fanazavana frantsayN' ayant plus de mains, le lépreux ne peut pas se raccrocher. [2.415 #1953]

Ohabolana 4Ny vato natao hiafenana no namosaka antsoro maina. [2.165 #2281]
Ny vato natao hiafenana no namosaka ny antsoro maina. [2.415 #3135]
Dikanteny frantsayC'est la pierre où l' herbe sèche s' était cachée, qui l' a montrée. [2.415 #3135]
Fanazavana frantsayEn allant aiguiser à la pierre, le couteau à couper l' herbe, on aperçoit l'herbe qui se trouvait cachée par la pierre ; se disait des gens qui se dissimulent, mais se trahissent par quelque endroit. [2.415 #3135]

Ohabolana 5Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriana. [2.415 #793, 2.558 #3953, 2.653]
Sorohitra mitaingina ambony antsoro, ka ny malemy ihany no tsindriany. [2.165 #2198, 1.1]
Fanazavana malagasyAza manao sahombora mitaingina ambonin' ny ravina, ka mifanindry samy malemy. [1.1]
Enti-milaza ireo tsy mahita hohararaotina hampijaliana afatsy izay kely sy malemy toa azy. [1.1]
Dikanteny frantsayAlouette perchée sur l' herbe antsoro : elle pèse sur ce qui est plus faible qu' elle. [2.415 #793]
Quand une alouette est perchée sur un brin d' herbe, elle presse sur ce qui est déjà faible. [2.165]
Fanazavana frantsaySe disait des petits qui opprimaient les plus petits qu'eux. [2.415 #793]

Fizahan-teny