|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : iafarana

Ohabolana 1Aza mikafara zanaka fa ireny no hiafarana. [2.558 #754]

Ohabolana 2Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana; ary manaova soa vato, fa misy hipetrahana. [2.165 #106]
Manaova soa ampiantany, fa misy hiankinana, manaova soa vato fa misy hipetrahana, manaova soa zanaka fa misy hiafarana. [2.558 #2019]
Dikanteny frantsayFaites du bien à une muraille et vous pourrez vous y appuyer; faites du bien à une pierre et vous pourrez vous y asseoir. [2.165]
Fanazavana frantsayLes bonnes actions trouveront toujours leur récompense. [2.165]

Ohabolana 3Miriorio foana ny angidina fa any anaty rano ihany no iafarany. [1.1]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany ny iafarana. [2.653]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no farany. [2.165 #857]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no hiafarana. [2.974 #220]
Miriorio foana ny angidina fa any an-kady ihany no hiafarany. [2.558 #154]
Miriorio foana ny angidina, fa any an-kady ihany no iafarana. [2.415 #4016]
Mivezivezy hoatry ny rano miriorio hoatry ny angidina. [2.415 #3043]
Mivezivezy ohatra ny rano; miriorio ohatra ny angidina. [2.165]
Mivezivezy toa rano, miriorio toa angidina. [2.558 #2521]
Fanazavana malagasyNa inona na inona atao, ny hiafarana dia any amin' izay efa faleha araka ny fombany avy ihany. [1.1]
Dikanteny frantsayAller de côté et d' autre comme un cours d' eau, rôder comme une libellule. [2.165]
Errer de côté et d' autre comme l' eau, rôder comme une libellule. [2.415 #3043]
La libellule vole çà et là en vain, car elle finira quand même dans le fossé. [2.165]
La libellule voltige à droite et à gauche, mais elle finira par le fossé. [2.974 #220]
Les libellules ont beau errer partout, elles finissent bien par aller dans le fossé. [2.415 #4016]
Fanazavana frantsayIl faut travailler. [2.415 #3043]
Se disait des marchands qui finissent par revenir dans leur patrie ; se disait aussi de ceux qui, après bien des errements, reviennent dans leur famille. [2.415 #4016]

Ohabolana 4Natao rapa-dango ny anana an-toriny, ka nitsongo anana an-kady no niafarana! [2.558 #178]

Ohabolana 5Raha maditra ala-nify, dia ho sosona no iafarany, ary raha tezitra anarina dia ho very ihany. [2.558 #3598]

Ohabolana 6Vatobe tsy misy tohany, ka any an-dohasaha no iafarany. [2.558 #4889]

Ohabolana 7Veloma amin-janaka, misy hiafarana, veloma amim-bady, misy ianteherana. [2.558 #4920]

Fizahan-teny