|
|
|
|

Teny iditra (1/2) 1  miditra
Fototeny  2 iditra
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
4  Ny ankehitriny :
5  Ny lasa :
6  Ny hoavy :
7  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  8 Mandroso avy any ivelany ho ao anatiny: Raha vao niditra tao an-trano izy dia niarahaba
9 Manaiky hiray amin' ny fianakaviana na hikambana amin' ny fikambanana iray: Te hiditra ho zanakareo aho ka mangataka ny zanakareo vavy aivo ho vady ~ Niditra ho miaramila Rakoto
10 Manomboka miasa: Amin' ny valo no miditra ny mpiasa
11 Mikasika zavatra tsy raharahan' ny tena: Aza miditra amin' izany ianao fa zavatra tsy hainao izany
12 Anaovana ka mahatonga: Misy iaro maro samihafa miditra amin' ny savony
13 Tonga betsaka: Miditra ny volan' ny fiarakaretsaka rehefa faran' ny volana [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  14 to enter, to go in. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  15 entrer, pénétrer [1.13]
Ohatra  16  sakafo mafana miditra an-kibo ihany no odiny. [2.470#39]
17  Dia vita ny oha-jaza, dia miditra ao an-trano. [2.48#78]
Mpanahaka  18  manao tsobodranon-dRamiangaly, 19  mandroso miroso, 20  maninteraka, 21  miborobaka, 22  miditra maninteraka, 23  mijoloka, 24  mijolonjolona, 25  milatsaka, 26  miroboka, 27  mirotsaka, 28  misoko, 29  misolontsolona, 30  misosososo, 31  misovoka, 32  Mitsabaka, 33  mitsabaka, 34  mitsoboka, 35  mitsofoka, 36  mitsopaka, 37  mitsorofoka, 38  mitsoropaka, 39  mitsotaka
Fikambanana  40  Fitenena, anaran-tany, anaram-javamaniry sy ny sisa miisa 21 misy ny teny hoe miditra
Ohabolana  41  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2) 42  miditra
Fototeny  43 ditra
Sokajin-teny  44  matoantenin' ny mpanao
Haiendriteny 
45  Ny ankehitriny :
46  Ny lasa :
47  Ny hoavy :
48  Filaza mandidy :
Fanazavàna teny malagasy  49 Manao ditra: Miditra handeha Zomà ny zafikeliko [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  50 s'opiniâtrer, résister, ne pas céder [1.3]
Mpanahaka  51  mihenahena, 52  mikiribiby, 53  mikitroka, 54  mitokona, 55  mitokozihitra, 56  mitompo teny fantatra

Nohavaozina tamin' ny 2026/04/22