|
|
|
|

Teny iditra1  mipetraka (petraka)
Sokajin-teny  2  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  3  mitombina (eo ampitombenana na efa tafatombina): Mipetraka eto ambony seza tompoko! / Tsy azo atao ny miarahaba manala satroka raha mipetraka
4  mitoetra, monina: Mipetraha any ambanivohitra izy
5  Ankinina amin' ny olona na banky: Vola mipetraka [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  6  to be at rest [1.2, 1.7]
7  to sit down, to perch [1.2]
8  to sit [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9  être assis [1.3, 1.8]
10  s'asseoir [1.3, 1.8]
11  être placé, posté
12  être destitué, renvoyé
13  habiter, séjourner [1.3]
Ohatra  14  Ny anankiray mipetraka, ary ny iray mandry. [2.324]
15  mipetraka ambony tsihy izy manjokaiky toa olona tra-pahakiviana sy very hevitra. [2.470]
16  Rahefa tsy miasa dia mandehandeha fotsiny eny no ataony, na mipetraka miresaka sy mifampijery. [2.472]
Haiendriteny 
17  Ny ankehitriny :
18  Ny lasa :
19  Ny hoavy :
20  Filaza mandidy :
Mpanahaka  21  mitombina, mitalapetraka, mitorovoka, manao torovok' amboa, misoketraka, misolaketraka, misondretaka, misonanina, misonanaka, mitorevaka, mianinanina, mihaminkamina, mivalaketraka, mitaboretaka, mibelaka, mibalelaka, mitsivelatra, mitsivetraka, mitakoko, mamitsaka, mitampisaka, mivalandotra, miampatra, miarinarina, miemonemona, miainginaingina, mininginingina, miteronterona, mitemontemona
Kamban-teny 
Ohabolana  23  Ohabolana misy io teny mipetraka io

Fivaditsoratra  24  ampetrika, mipetraka, mpiretaka, mpiteraka

Nohavaozina tamin' ny 2023/01/20