|
|
|
|

Fizahan-teny

Ohabolana : hatonina

Ohabolana 1Afom-bolo maina : hatonina mahamay, halavirina mangatsiaka. [1.147 #A11]

Ohabolana 2Amboa ngerom-bava, ka raha mandalo toa hitondra sokina ihany. [2.415 #4269]
Amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony akaiky vavany ihany. [2.558]
Toy ny amboa mainty vava, ka ataony ho nangala-pihinana ihany. [2.165 #1071, 2.653]
Toy ny amboa ngerom-bava, ka ataony ho nangala-pihinana ihany. [2.653]
Toy ny amboa ngerom-bava, ka ohatra ny avy nangala-pihinana ihany. [2.558]
Toy ny amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony hatonina vavany ihany. [2.558 #4258]
Toy ny saka ngerom-bava, ka ohatra ny avy nangala-pihinana ihany. [2.558]
Dikanteny frantsayChien qui a la gueule noire : quand il passe, on croit qu' il porte un hérisson. [2.415 #4269]
Semblable à un chien à la gueule sale, qui est soupçonné d' avoir volé de la nourriture. [2.165]
Fanazavana frantsayParce que les apparences sont contre lui. [2.165]
Se disait des voleurs de profession : on les accuse toujours. [2.415 #4269]

Ohabolana 3Aza manao hoe : raha olona handosirako, fa raha sary, hohatoniko. [2.558 #524]
Aza manao hoe: "Raha olon-kandosirako, kanefa raha sary hohatoniko" . [2.165]
Tsy mety raha hoe : raha olona andosirako, fa raha sary hatoniko. [2.558 #4590]
Tsy mety raha hoe: "Raha olona handosirako, fa raha sary hatoniko". [2.415 #1734, 2.653]
Dikanteny frantsayIl ne faut pas dire : si c' est un homme je le fuirai, si c' est une simple statue ou image, j'approcherai. [2.415 #1734]
Ne dites pas: "Si c' est un homme je fuirai, mais si ce n' est qu' une image, je m' en approcherai" . [2.165]
Fanazavana frantsayC' est manquer de courage. [2.165]
C'est un manque de courage que de parler ainsi. [2.415 #1734]

Ohabolana 4Ny ahitra no misy tsy hita fototra fa tsy ny olon-ko hatonina. [2.558 #2831]

Ohabolana 5Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: atonina manalavitra, alavitina manatona. [2.558 #2985]
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: hatonina, manalavitra; hala-virina, manatona. [2.165 #161]
Dikanteny frantsayL' amitié est comme les algues: quand on s' en approche, elles s' éloignent; et quand on s' en éloigne, elles se rapprochent. [2.165]

Ohabolana 6Ny lainga toy ny anjavidy : tazanina toa voany, fa nony hatonina raviny ihany. [2.558 #3060]

Ohabolana 7Ny manjaka toy ny afo : halavirina mangatsiaka, hatonina : mahamay. [2.558 #3121]
Ny manjaka toy ny afo ; ka raha halavirina mahamangatsiaka, ary raha hatonina akaiky mahamay. [2.415 #231]
Ny manjaka toy ny afo : raha halavirina, mahangatsiaka ; ary raha akekena, mahamay. [2.653 #2329, 2.974 #273]
Ny mpanjaka toy ny afo: raha halavirina mangatsiaka, ary raha akekezina mahamay. [2.165 #1398]
Dikanteny frantsayLes grands sont comme le feu : loin d’eux, vous avez froid; près d’eux, vous prenez feu. [2.974 #273]
Le souverain est comme le feu : ceux qui sont loin de lui n' ont pas part à ses bienfaits, ils ont froid ; mais ceux qui sont auprès de lui obtiennent ses faveurs, ils ont chaud. [2.415 #231]
Le souverain est comme le feu: si on s' en éloigne, on a froid; et si on s' en rapproche, on se brûle. [2.165]

Fizahan-teny