Fizahan-teny

Ohabolana : hatonina

Ohabolana Afom-bolo maina : hatonina mahamay, halavirina mangatsiaka. [Samson 1965 #A11]

Ohabolana Amboa ngerom-bava, ka raha mandalo toa hitondra sokina ihany. [Veyrières 1913 #4269]
Amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony akaiky vavany ihany. [Rinara 1974]
Toy ny amboa ngerom-bava : tazanina toa mitondra sokina, nony hatonina vavany ihany. [Rinara 1974 #4258]
Dikanteny frantsay Chien qui a la gueule noire : quand il passe, on croit qu' il porte un hérisson. [Veyrières 1913 #4269]
Fanazavana frantsay Se disait des voleurs de profession : on les accuse toujours. [Veyrières 1913 #4269]

Ohabolana Aza manao hoe : raha olona handosirako, fa raha sary, hohatoniko. [Rinara 1974 #524]
Aza manao hoe: "Raha olon-kandosirako, kanefa raha sary hohatoniko" . [Houlder 1895]
Tsy mety raha hoe : raha olona andosirako, fa raha sary hatoniko. [Rinara 1974 #4590]
Tsy mety raha hoe: "Raha olona handosirako, fa raha sary hatoniko". [Veyrières 1913 #1734, Cousins 1871]
Dikanteny frantsay Il ne faut pas dire : si c' est un homme je le fuirai, si c' est une simple statue ou image, j'approcherai. [Veyrières 1913 #1734]
Ne dites pas: "Si c' est un homme je fuirai, mais si ce n' est qu' une image, je m' en approcherai" . [Houlder 1895]
Fanazavana frantsay C' est manquer de courage. [Houlder 1895]
C'est un manque de courage que de parler ainsi. [Veyrières 1913 #1734]

Ohabolana Ny ahitra no misy tsy hita fototra fa tsy ny olon-ko hatonina. [Rinara 1974 #2831]

Ohabolana Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: atonina manalavitra, alavitina manatona. [Rinara 1974 #2985]
Ny fihavanana tahaka ny volon-kotona: hatonina, manalavitra; hala-virina, manatona. [Houlder 1895 #161]
Dikanteny frantsay L' amitié est comme les algues: quand on s' en approche, elles s' éloignent; et quand on s' en éloigne, elles se rapprochent. [Houlder 1895]

Ohabolana Ny lainga toy ny anjavidy : tazanina toa voany, fa nony hatonina raviny ihany. [Rinara 1974 #3060]

Ohabolana Ny manjaka toy ny afo : halavirina mangatsiaka, hatonina : mahamay. [Rinara 1974 #3121]
Ny manjaka toy ny afo ; ka raha halavirina mahamangatsiaka, ary raha hatonina akaiky mahamay. [Veyrières 1913 #231]
Ny manjaka toy ny afo : raha halavirina, mahangatsiaka ; ary raha akekena, mahamay. [Cousins 1871 #2329, Nicol 1935 #273]
Ny mpanjaka toy ny afo: raha halavirina mangatsiaka, ary raha akekezina mahamay. [Houlder 1895 #1398]
Dikanteny frantsay Les grands sont comme le feu : loin d’eux, vous avez froid; près d’eux, vous prenez feu. [Nicol 1935 #273]
Le souverain est comme le feu : ceux qui sont loin de lui n' ont pas part à ses bienfaits, ils ont froid ; mais ceux qui sont auprès de lui obtiennent ses faveurs, ils ont chaud. [Veyrières 1913 #231]
Le souverain est comme le feu: si on s' en éloigne, on a froid; et si on s' en rapproche, on se brûle. [Houlder 1895]

Fizahan-teny