Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
Ohabolana : veloma | |||||||||||||||||||||
Ohabolana 1 | Hianao tanora, ka be zafin-teny ; manonona hoe: Veloma, ka misafelika. [2.653 #1065]
Hianao tanora ka no be zafin-teny, manonona ny hoe "veloma" ka misafelika. [2.558 #89] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 2 | Ilay nanao soa vahiny, ka raha voky izy, dia nilaozany. [2.653 #1122, 2.974 #307]
Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia lasa. [2.558] Ilay nanao soa vahiny : raha voky izy dia nandao. [2.558] Nanao soa vahiny: voky izy dia nilaozany. [1.1] Toy ny manao soa vahiny, ka raha voky izy, dia ilaozany mody. [2.165 #577] Toy ny manao soa vahiny : nony voky izy nanao veloma. [2.558 #4301] Toy ny manao soa vahiny: raha voky izy, ilaozany mody. [2.653 #3210] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana malagasy | Aza miantehitra na miandry valiny amin' izay olona mandala. [1.1] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Faire du bien à un hôte de passage : à peine restauré, le voilà qui vous quitte. [2.974 #307]
On fait du bien à un étranger, et quand il est rassasié, il s' en va. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Mot souvent cité en manière d' excuse par ceux auxquels il s' applique. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 3 | Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra. [1.1]
Lasa tsy manao veloma naman' ny tezitra, tonga tsy mifampiarahaba naman' ny sosotra. [1.1] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana malagasy | Araka ny lalàn' ny fihavanana malagasy, ny fiarahabana sy ny fanaovambeloma dia tsy maintsy atao raha mbola tsy tapaka akory ny fihavanana. [1.1] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 4 | Natsangako kiady, nazerany, nalahatro vato, nakorontany, koa veloma ry tantely lava, masina ry tantely fohy, fa lany haika izaho havanareo. [2.558 #2771]
Natsangako kiady, nazerany ; nalahatro vato, nakorontany; veloma, ry tantely lava; masina, ry tantely fohy, fa lany haika aho. [2.653 #2097] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 5 | Raha tsy hahasoa ahy, matesa aho any amin' ny alehako ; raha hahasoa, veloma. [2.415 #4219] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Si ce voyage ne doit pas m' être bon, que je meure en route ; s' il doit m' être bon, que j' aie la vie sauve. [2.415 #4219] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 6 | Tsy mba ny Tsy ny | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 7 | Veloma | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 8 | Veloma fo aman' aina. [2.415 #4178] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Puissiez-vous avoir la vie sauve et qu' aucun malheur ne vous frappe. [2.415 #4178] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 9 | Veloma ry Ikaky sy Ineny, fa sinibe manga roa hianareo, ka tsy misy tombo sy hala. [2.558 #4921, 2.653 #3658] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 10 | Veloma, ry sakaiza, tsy ho voan' ny Veloma ry sakaiza; tsy ho voan' ny | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Adieu, mon ami, ne te fais pas de mal, et ne souffre pas des autres. [2.415 #4179]
Au revoir, mon ami; puisses-tu ne pas te faire du mal par ta propre main, ni souffrir par la main des autres. [2.165 #1149] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 11 | Veloma ry taona, fa lasa tsy hiverina intsony. [2.415 #4180] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Adieu, année, tu es passée et tu ne reviendras plus. [2.415 #4180] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 12 | Veloma, soava tsara. [2.415 #4181] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Vivez, soyez bon et heureux. [2.415 #4181] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Termes de remerciements. [2.415 #4181] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 13 | "Veloma, soava tsara" , tsy mahavelom-bady aman-janaka. [2.653 #3659, 2.165] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | On ne vivez heureux, prospérez. [2.415 #1356]
Un "au revoir, portez-vous bien" ne suffit pas à entretenir une famille. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Fanazavana frantsay | Ce proverbe a été inventé et mis en circulation par le missionnaire J. Parrett qui, sous l' ancien royaume malgache, avait remarqué combien souvent un fonctionnaire se contentait, pour tout paiement, de dire ces paroles à ceux qui avaient travaillé dur pour lui. [2.165] | ||||||||||||||||||||
Ohabolana 14 | "Veloma" tsy mba adidy: sakafo lany tsy mba andraikitra. [2.165 #146] | ||||||||||||||||||||
Dikanteny frantsay | Le "au revoir" n' est pas un blâme, un repas pris n' est pas une responsabilité (ce sont des choses passées). [2.165] | ||||||||||||||||||||
Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
![]() |