|
|
|
|

Teny iditra (1/3)1  lany
Sokajin-teny  2  anarana
Sampanteny 
3  Anarana :
Fanazavàna teny malagasy  4  Ny rirany amin' ny an-kilany sy ny an-daniny, ny lafiny: Maroni-dany roa io, lelan' antsy io
5  Ny tendrony, ny tendrony farany: Mbola tsy miseho ihany ny lanin' ny tafika ~ Tsy hita lany ny ranomasina
6  Ilany: Ery an-dany andrefan' Ampamarinana no misy anay. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  7  le bout, l'extrémité d'une chose, un côté ou une partie par rapport à l'autre: Marani-dany roa io lela antsy io (Cette lame de couteau coupe des deux côtés, a deux tranchants) ~ Apetraho eo an-dany atsimon' ny farafara ireo kiraro ireo (Mettez ces souliers du côté sud du lit) Eo an-dany atsinanana ny kianja ny tranoko (Ma maison est du côté est de la place) [1.3]
Kamban-teny 
Anaram-javamaniry 
Ohabolana  10  Ohabolana misy io teny lany io

Teny iditra (2/3)11  lany
Sokajin-teny  12  matoantenin' ny iharana
Sampanteny 
13  Matoantenin' ny mpanao :
14  Matoantenin' ny iharana :
15  Matoantenin' ny fameno :
16  Anarana :
17  Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  18  Tapitra, tsy misy intsony: Lany ny vary ao antsompitra
19  Very foana: Lany niandry anao teto ny androko
20  Simba, levona, hanin-javatra: Lanin' ny fositra itỳ voavahy
21  Ampiasaina: Ohatrinona ny vola laninao nanaovana itỳ trano itỳ
22  Tsy misy mijanona noho ny niasana taminy: Mahagaga raha lany sahady ilay pensilihazo novidiko ho anao
23  Baboina: Lanin' ny fanjakana ny hareny
24  Ekena, ankatoavina, azoazo, voafidy: Tsy lanin' ny be sy ny maro ny hevitrao / Lany ho solombavambahoaka Ramasaka
25  Raisina: Lany ho miaramila ny rahalahiko
26  Ekena, raisina: Tsy lany intsony ny vola toy itony
27  Atao mahita faisana, hanina: Raha misy tsy manaraka izany lalàna izany dia lanintsika
28  Tapaka: Lanin' ny mpitsara fa hohelohina folo taona izy [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  29  consumed, devoured, spent, all gone; agreed upon [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  30  dont il ne reste rien, épuisé, perdu, usé, mangé, consumé, confisqué, dépensé, employé
31  accepté, approuvé, qui plait, qui passe
32  réprouvé, rejeté, condamné [1.3]
Ohatra  33  " Dia nosotroiny, hono, ny ron' akoho, ka lany. [2.293]
34  ny saran-dalana sy ny fotoana lany iaraha-mahalala rahateo. [2.470]
35  Nony tonga ny ririna, lany ny mangahazo sy latsakay. [2.472]
36  Haren-danim-bazo (Biens dépensés dans le libertinage) [2.415]
Haiendriteny 
37  Tsotra :
38  Tovonana :
39  Filaza mandidy :
Mpanahaka  40  Tapitra, ritra, majifa, mafafa, borona, levona, foana, goana, fongana, ringana, mangaka, jabolevona, makiky, ringitra, foan-tanana, madiodio, mangadihady, tsy misy miangana, tsy misy horaotina
Kamban-teny 
Ohabolana  54  Ohabolana misy io teny lany io

Teny iditra (3/3)55  lany
Sokajin-teny  56  anarana
Sampanteny 
57  Mpamaritra :
Fanazavàna teny malagasy  58  Fofon' ny hazandrano: Maimbo lanin-trondro
59  Ny kiran' ny hazandrano izay manarona ny tenany
60  ilay zavatra maditidity amin' ny hoditry ny amalona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  61  a bad smell [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  62  l'odeur du poisson, des caïmans, des canards; les écailles des poissons, la matière visqueuse qui se trouve sur la peau des anguilles [1.3]
63  mauvaise odeur [1.8]

Nohavaozina tamin' ny 2023/06/14