Teny iditra (1/2) | 1 asorotany |
Sokajin-teny | 2 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
3 [1.10] anaran' ny volana fahefatra, reni-vintana eo amin' ny zorony atsimo-atsinanana. Ataon' ny mpanandro hoe farafara-akora koa ny anarany, nefa tsy fantatra mazava izay heviny amin' izany. 4 [3.1]
5 [1.1] Anaran' ny volana fahefatra amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Adizaoza ary alohan' ny Alahasaty, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin' ny zoron-trano atsimo atsinanana Fanandroana: Vavany: raha tsy maty kely dia tratra antitra, omena olon-kafa havana fa andro mahery, tsy tezain-dray aman-dreny; vontony: tratra antitra; vodiny: tsara, manan-karena, raha tsy maty kely dia tratra antitra |
Fanazavàna teny anglisy |
6 [1.2] the name of the fourth month of the Malagasy year. [Ar. As-saratanu - Cancer.] |
Ohatra |
7 [2.59] koa dia nody Antananarivo tamy ny andro Alakamisy 14 asorotany 1864. |
Voambolana |
8 Fotoana 9 Fivavahana, finoana |
Kamban-teny |
|
Ohabolana | 11 Ohabolana misy io teny asorotany io |
Tsanganana sy sary iray takila |
12 Fizaran' andro |
Teny iditra (2/2) | 13 asorotany |
Sokajin-teny | 14 anarana |
Fanazavàna teny malagasy |
15 [1.13] zana-pehintany avaratry ny fehibe |
Fanazavàna teny frantsay |
16 [1.13] tropique du Cancer |
Voambolana |
17 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny) |
Mpanahaka | 18 adijady, zana-pehintany |
Sary |
|
Fivaditsoratra | 20 asorotany, atrosinao, iantsoroa, isotroana, itrosanao, itsoranao, nasoitrao, sinaotrao, soritanao, trosainao |
Nohavaozina tamin' ny 2025/04/25 |
![]() |